Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 9:11 - Baiboly Katolika

11 Ka hoy ny loholonay sy ny mponina rehetra amin’ny taninay taminay: Mitondrà vatsy ho any an-dalana, ka mandehana mitsena azy ireo, ary lazao aminy hoe: Mpanomponareo izahay, koa ankehitriny aoka mba hanao fanekem-pihavanana aminay ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin’ny taninay hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin’ny haleha, dia mandehana hitsena azy ka lazao aminy hoe: Mpanomponareo izahay, koa ankehitriny manaova fanekena aminay.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Izany no nitenenan’ireo loholonay sy ireo olona rehetra mpiray tanindrazana aminay mba hanomana vatsy ho an’ny dia ka handeha hihaona aminareo; nasainy manolo-tena hanompo anareo izahay sy mangataka anareo hanao fanekempihavanana aminay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Izany no nitenenan’ireo loholonay sy ireo olona rehetra mpiray tanindrazana aminay mba hanomana vatsy ho an’ny dia ka handeha hihaona aminareo; nasainy manolo-tena hanompo anareo izahay sy mangataka anareo hanao fanekempihavanana aminay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin’ny taninay ka nanao hoe: Mitondrà vatsy eny an-tànanareo ho any amin’ny haleha, dia mandehana hitsena azy, ka lazao aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin'ny taninay ka nanao hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin'ny haleha, dia mandehana hitsena azy, ka lazao aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin’ny taninay hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin’ny haleha, dia mandehana hitsena azy ka lazao aminy hoe: Mpanomponareo izahay, koa ankehitriny manaova fanekena aminay.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 9:11
9 Rohy Ifampitohizana  

Ataovy avo sasaka ny vola entinareo, ary ento indray koa ilay vola natao tao am-bava-lasàkanareo, sao hadisoana no nanaovana azy tao.


Dia naniraka olona ny lehiben’ny tao an-dapa, ny komandin’ny tanàna, ny loholona mbamin’ny toniany, hilaza amin’i Jehò hoe: «Mpanomponao izahay, ka izay rehetra holazainao no hataonay, fa tsy hanangana olona ho andriana izahay na iza na iza; izay sitraky ny fonao no ataovy.»


Dia hoy Izy taminy: «Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa.


Manomàna vatsy ianareo, fa raha afaka hateloana dia hita an’ity Jordany ity ianareo, handeha haka ny tany omen’Andriamanitrareo ho fanananareo.»


ary ny nanaovany ny mpanjakan’ny Amôreana roa lahy tany an-dafin’i Jordany, dia i Sehôna mpanjakan’i Hesebona sy i Oga mpanjakan’i Basàna, izay nonina tany Astarôta.»


Jereo ny mofonay, vao nafana itony no nalainay tany an-tranonay hatao vatsy, tamin’ny andro niainganay ho atỳ aminareo, ary izao kosa dia indro fa efa maina sy potipotika.


Dia hoy ireo tamin’i Jôsoe: «Mpanomponao izahay.» Ary hoy i Jôsoe taminy: «Iza moa ianareo, ary avy aiza?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra