Jona 1:14 - Baiboly Katolika14 Koa dia niantso an’i Iaveh izy nanao hoe: «Endrey! ry Iaveh ô! aoka tsy ho faty noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity izahay na ataonao milonjo ny ra tsy manan-tsiny, satria Ianao no nanao araka izay sitrakao, ry Iaveh ô!» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201114 Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy ireo hoe: Mifona aminao izahay, TOMPO ô! Aoka tsy ho faty izahay noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity, ary aza atao ho mpandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izahay; fa Ianao, TOMPO ô, efa nanatanteraka izay sitraky ny fonao. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA14 Dia nitaraina tamin’ny TOMPO ireo ka nanao hoe: –TOMPO ô, aza avelanao ho faty noho ny amin’ity lehilahy ity izahay. Aza atambesatra aminay ny fahafatesan’ny anankiray izay tsy nanan-tsiny. Fa Ianao ry TOMPO no manao araka izay sitrakao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara14 Dia nitaraina tamin’ny TOMPO ireo ka nanao hoe: –TOMPO ô, aza avelanao ho faty noho ny amin’ity lehilahy ity izahay. Aza atambesatra aminay ny fahafatesan’ny anankiray izay tsy nanan-tsiny. Fa Ianao ry TOMPO no manao araka izay sitrakao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy14 Dia nitaraina tamin’i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity, ary aza atao ho mpandatsaka ra marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao. Jereo ny tokoMalagasy Bible14 Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin'ny ain'ity lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka rà marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache14 Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy ireo hoe: Mifona aminao izahay, TOMPO ô! Aoka tsy ho faty izahay noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity, ary aza atao ho mpandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izahay; fa Ianao, TOMPO ô, efa nanatanteraka izay sitraky ny fonao. Jereo ny toko |