Joela 4:2 - Baiboly Katolika2 dia indro fa hovoriko ny firenena rehetra, ka hoentiko midina ho eo amin’ny lohasahan’i Jôsafata; ary eo no hifandaharako amin’izy ireo, noho ny amin’i Israely vahoakako sy lovako, izay naeliny tany amin’ny firenena, sy noho ny amin’ny taniko izay nozarazarainy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20112 dia hangoniko ny Jentilisa rehetra ka hoentiko midina ao amin’ny lohasahan’i Josafata, ary ao no hifandaharako aminy noho ny amin’ny Israely, oloko sy lovako, fa naeliny tany amin’ny Jentilisa izy ireo; ary nozarazarainy ny taniko Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA2 Hangoniko ny hafa firenena rehetra ka hampidiniko avokoa ho eo amin’ny lohasaha atao hoe «Ny TOMPO no mitsara». Eo no hitsarako azy noho izay rehetra nataony tamin’i Israely vahoakako sy fananako, ka nampielezany azy tany amin’ny firenen-kafa sy nizarazarany ny taniko. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara2 Hangoniko ny hafa firenena rehetra ka hampidiniko avokoa ho eo amin’ny lohasaha atao hoe «Ny TOMPO no mitsara». Eo no hitsarako azy noho izay rehetra nataony tamin’i Israely vahoakako sy fananako, ka nampielezany azy tany amin’ny firenen-kafa sy nizarazarany ny taniko. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy2 Dia hangoniko ny jentilisa rehetra Ka ho entiko midina ao amin’ny Lohasahan’i Josafata, Ary ao no hifandaharako aminy Noho ny amin’ny Isiraely, oloko sy lovako, Izay naeliny tany amin’ny jentilisa; Ary nozarazarainy ny taniko, Jereo ny tokoLa Bible en Malgache2 dia hangoniko ny Jentilisa* rehetra ka hoentiko midina ao amin’ny lohasahan’i Josafata, ary ao no hifandaharako aminy noho ny amin’ny Israely, oloko sy lovako, fa naeliny tany amin’ny Jentilisa izy ireo; ary nozarazarainy ny taniko Jereo ny toko |