Joela 4:18 - Baiboly Katolika18 Amin’izany andro izany dia hitete avy amin’ny tendrombohitra rehetra ny divay vaovao; ny havoana handriaka ronono; ary ny lohasahan-driaka any Jodà, hitsororohan’ny rano avokoa. Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’i Iaveh, ka handena ny lohasahan’ny Akasià. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201118 Amin’izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny havoana, ho feno rano ny lohasahan-driakan’i Joda rehetra, ary hisy loharano hivoaka avy ao amin’ny tranon’NY TOMPO ka handena ny lohasahan-driakan’i Sitima. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA18 Amin’izany andro izany dia hamokatra divay vao ny tendrombohitra, handriaka ronono ny biby fiompy eny an-kavoana. Hikoriana rano avokoa ny sakeli-dranon’i Joda. Ary hisy loharano hifantsitsitra avy ao an-tranon’ny TOMPO ka hanondraka ny lohasahan’i Sitîma. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara18 Amin’izany andro izany dia hamokatra divay vao ny tendrombohitra, handriaka ronono ny biby fiompy eny an-kavoana. Hikoriana rano avokoa ny sakeli-dranon’i Joda. Ary hisy loharano hifantsitsitra avy ao an-tranon’ny TOMPO ka hanondraka ny lohasahan’i Sitîma. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy18 Amin’izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, Handriaka ronono ny havoana, Ho feno rano ny lohasahan-driak’i Joda rehetra, Ary hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’i Jehovah Ka handena ny lohasahan-driak’i Sitima. Jereo ny toko |