Joela 4:17 - Baiboly Katolika17 Dia ho fantatrareo fa Iaveh Andriamanitrareo Aho, izay monina ao Siôna, tendrombohitro masina; ho fitoerana masina i Jerosalema, ka tsy hodiavin’ny hafa firenena intsony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201117 Ary ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina; dia ho masina i Jerosalema ary ny hafa firenena dia tsy mba handeha hamakivaky eo intsony. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA17 Ary hiaiky ianareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay monina ao Tsiôna tendrombohitro masina. Dia ho tanàna masina i Jerosalema, ka tsy hidiran’ny hafa firenena intsony. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara17 Ary hiaiky ianareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay monina ao Tsiôna tendrombohitro masina. Dia ho tanàna masina i Jerosalema, ka tsy hidiran’ny hafa firenena intsony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy17 Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina; Dia ho masina Jerosalema, Ary ny hafa firenena tsy mba handeha hamaky eo intsony. Jereo ny toko |