Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 51:33 - Baiboly Katolika

33 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Ny zanaka vavin’i Babela dia toy ny famoloana amin’ny fotoana fanosena azy, ka kely foana sisa, dia ho tonga aminy, ny andro fararano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Babilona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin’ny andro anosena azy; ary vetivety foana dia ho avy ny andro hijinjana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

33 Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Voahosihosy ilay Babilôna fadiranovana toy ny famoloana omanina hivelezam-bary; fa ho avy tsy ho ela ny fotoam-pijinjana azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Voahosihosy ilay Babilôna fadiranovana toy ny famoloana omanina hivelezam-bary; fa ho avy tsy ho ela ny fotoam-pijinjana azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Fa izao no lazain i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin’ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia ho avy ny andro hijinjana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Fa izao no lazain i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin'ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia ho avy ny andro hijinjana azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:33
15 Rohy Ifampitohizana  

Fa alohan’ny fijinjana, rehefa tapitra ny famoniana, ka efa tonga sampaho efa ho masaka ny voniny, dia hotapahiny amin’ny antsy ny rantsany, hoesoriny ny sampany dia hotangosany.


Ry variko velezina ô, voam-barin’ny famoloako, izay reko tamin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, no ambarako aminareo.


Midìna, mipetraha amin’ny vovoka, ry virjiny, zanaka vavin’i Babilôna; mipetraha amin’ny tany, fa tsy amin’ny seza fiandrianana, ry zanaka vavin’ny Kaldeanina; fa ianao tsy hantsoina intsony hoe: Ikala kiankianina, Ikala miangetsana.


Ny fitàna efa voatana; ny heniheny doroana amin’ny afo, ary ny lehilahy mpiady efa kivy erỳ!


Ianao koa, ry Jodà, misy fijinjana voatendry ho anao, raha avy izay hamoriako ny vahoakako avy amin’ny fahababoana.


Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Damasy, - ary noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria izy ireo nanorotoro an’i Galaada tamin’ny ambaràmbana vy,


Tsy fantatr’izy ireo anefa ny hevitr’i Iaveh; ka tsy azony an-tsaina ny hevitra voakasany, dia ny nanambàrany azy ireo toy ny amboara eo am-pamoloana.


Mitsangàna ka mihose, ry zanaka vavin’i Siôna, fa ny tandrokao hataoko vy, ary ny kitronao, hataoko varahina, ka hanorotoro firenena maro ianao, ka hanokana ny tombon-karena azony ho an’i Iaveh aho, sy ny hareny, ho an’ny Tompon’ny tany rehetra.


Mitetitety ny tany amim-pahatezerana Ianao, hitsahinao amim-pahavinirana ny firenena.


Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana; ary angony ho any an-tsompitro ny vary.


ny fahavalo izay namafy azy, dia ny devoly; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra