Jeremia 40:14 - Baiboly Katolika14 ka nanao taminy hoe: «Fantatrao va, fa i Baalisa mpanjakan’ny taranak’i Amôna, efa naniraka an’i Ismaely, zanak’i Nataniasa, hamono anao?» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201114 ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa i Balisa, mpanjakan’ny taranak’i Amona, dia naniraka an’Ismaela, zanak’i Netania, hamono anao? Tsy nino azy anefa i Gedalia, zanak’i Ahikama. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA14 Nanontany an’i Gedalià izy hoe: –Moa fantatrao tsara ve fa i Bahalisa, mpanjakan’ny Hamônita, dia naniraka an’i Jismahela, zanakalahin’i Netanià, hamono anao? Nefa tsy nino azy i Gedalià. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara14 Nanontany an’i Gedalià izy hoe: –Moa fantatrao tsara ve fa i Bahalisa, mpanjakan’ny Hamônita, dia naniraka an’i Jismahela, zanakalahin’i Netanià, hamono anao? Nefa tsy nino azy i Gedalià. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy14 ka nanao taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan’ny taranak’i Amona, dia naniraka an’Isimaela, zanak’i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak’i Ahikama. Jereo ny tokoMalagasy Bible14 ka nanao taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan'ny taranak'i Amona, dia naniraka an'Isimaela, zanak'i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak i Ahikama. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache14 ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa i Balisa, mpanjakan’ny taranak’i Amona, dia naniraka an’Ismaela, zanak’i Netania, hamono anao? Tsy nino azy anefa i Gedalia, zanak’i Ahikama. Jereo ny toko |
Dia nentin’i Ismaely ho babo ny olona sisa tao Masfà, ireo zanaka vavin’ny mpanjaka mbamin’ny vahoaka rehetra tafajanona tao Masfà, izay nomen’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, ho filohany; nentin’i Ismaely zanak’i Nataniasa ho babo ireo, dia lasa nankany amin’ny taranak’i Amôna izy.