Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 40:15 - Baiboly Katolika

15 Tsy nino azy anefa i Godoliasa zanak’i Ahikama. Ary niteny mangingina tamin’i Godoliasa tany Masfà i Johanàna zanak’i Karea nanao hoe: «Aoka àry aho handeha hamono an’i Ismaely zanak’i Nataniasa, hatao tsy fantatr’olona velively. Fa nahoana no hamonoany anao, ka ho tafaely ny Jody rehetra efa tafangona atỳ aminao, ary ho lany ringana ny sisan’i Jodà?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary i Johanana, zanak’i Karea, dia nilaza mangingina tamin’i Gedalia tao Mizpa hoe: Miangavy anao aho, aoka aho handeha hamono an’Ismaela, zanak’i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin’ny Joda?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 Na izany aza dia tonga nihaona mangingina tamin’i Gedalià tao Mitsepà ihany i Jôhanàna ka nanao taminy hoe: –Aoka aho handeha hamely an’i Jismahela, zanakalahin’i Netanià fa tsy hisy olona hahalala akory? Nahoana no havelanao hovonoiny ho faty ny tenanao? Fa raha matiny ianao, dia hiparitaka indray ny Jodeanina rehetra efa tafangona eto aminao; ary izay hany sisa amin’ny fanjakàn’i Joda dia ho levona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Na izany aza dia tonga nihaona mangingina tamin’i Gedalià tao Mitsepà ihany i Jôhanàna ka nanao taminy hoe: –Aoka aho handeha hamely an’i Jismahela, zanakalahin’i Netanià fa tsy hisy olona hahalala akory? Nahoana no havelanao hovonoiny ho faty ny tenanao? Fa raha matiny ianao, dia hiparitaka indray ny Jodeanina rehetra efa tafangona eto aminao; ary izay hany sisa amin’ny fanjakàn’i Joda dia ho levona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary Johanana, zanak’i Karea, nilaza mangingina tamin’i Gedalia tao Mizpa nanao hoe: Masìna hianao, aoka aho handeha hamono an’Isimaela, zanak’i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin’ny Joda?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary Johanana, zanak'i Karea, nilaza mangingina tamin'i Gedalia tao Mizpa nanao hoe: masìna ianao, aoka aho handeha hamono an'Isimaela, zanak'i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin'ny Joda?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Ary i Johanana, zanak’i Karea, dia nilaza mangingina tamin’i Gedalia tao Mizpa hoe: Miangavy anao aho, aoka aho handeha hamono an’Ismaela, zanak’i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy* rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin’ny Joda?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 40:15
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy ny vahoaka: «Aoka tsy handeha ianao, fa raha hampandosirina izahay raha izahay ihany dia tsy hahoany akory, na maty sasaka aza izahay, tsy ahoany akory; fa ianao kosa dia hoatra ny iray alina aminay, ka metimety kokoa raha avy atỳ an-tanàna ianao no handeha hamonjy anay.»


Fa tonga namonjy an’i Davida kosa i Abisaia zanak’i Sarvià, ka namono nahafaty an’ilay Filistinina. Nanaovan’ny olon’i Davida fianianana izy tamin’izay, ka nataony hoe: «Tsy hiara-mivoaka aminay hiady intsony ianao, ka tsy hamono ny fanilon’i Israely.»


Raha tsy filazan’ny olona tao an-daiko ny hoe: ‹Aiza re no hahitana olona tsy voky tamin’ny hanin-databany?›


dia nanatona an’i Godoliasa, tany Masfà izy ireo, izany hoe i Ismaely zanak’i Nataniasa, i Johanàna sy i Jonatàna zanak’i Karea, i Seraiasa zanak’i Tanehometa, ireo zanak’i Efoì, sy i Netofà, ary i Jezoniasa zanak’ilay Môahatianina, dia ireo mbamin’ny olom-peheziny avy.


ka nanao taminy hoe: «Aoka ho tonga eo anatrehanao anie izao fihantanay izao: mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitrao, ho an’izao sisa rehetra izao, fa maro izahay taloha, nefa efa tonga vitsy sisa araka izao hitan’ny masonao izao.


na tsy mihevitra akory fa tsara ho anareo raha maty ho an’ny vahoaka ny Lehilahy anankiray, mba tsy ho rava ny firenena manontolo.»


Tonga tamin’ny valan’ondry izay tao amoron-dalana izy ary nisy zohy tao ka nidiran’i Saola hiavela; nefa i Davida sy ny olony, izany, nipetraka tao amin’ny faravody zohy.


Dia hoy i Abisaï tamin’i Davida: «Voahidin’i Iaveh eo an-tananao ity ny fahavalonao anio, ka ankehitriny mba avelao kely re hasiako amin’ny lefona izy dia hataoko miboroaka amin’ny tany amin’ny indray mamely monja, fa tsy hiverenako fanindroany».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra