Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 15:1 - Baiboly Katolika

1 Faminaniana ny amin’i Moaba. Marina tokoa fa ny alina nandrobana azy, dia fongotra i Ara-Moâba. Ny alina nandrobana azy, i Kira-Moaba dia fongotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ny loza hanjo an’i Moaba. Indray alina no nandravana azy! Fongotra i Ara-Moaba. Eny, indray alina no nandravana azy! Fongotra i Kira-Moaba.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Hafatra momba an’i Môaba. Indray alina monja dia rava tsy nisy niangana ny tanàna Hara-Môaba, indray alina monja dia rava tsy nisy niangana ny tanàna Kira-Môaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Hafatra momba an’i Môaba. Indray alina monja dia rava tsy nisy niangana ny tanàna Hara-Môaba, indray alina monja dia rava tsy nisy niangana ny tanàna Kira-Môaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 FAMINANIANA ny amin’ny loza hanjo an’i Moaba. Fa tamin’ny indray alina no nandravana an’i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin’ny indray alina no nandravana an’i Kira-moaba, ka fongotra izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba. Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Kira-moaba, ka fongotra izy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ny loza hanjo an’i Moaba. Indray alina no nandravana azy! Fongotra i Ara-Moaba. Eny, indray alina no nandravana azy! Fongotra i Kira-Moaba.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 15:1
20 Rohy Ifampitohizana  

Noravany ny tanànany, samy nanipy vato iray tamin’ny tanimboly soa rehetra dia nataony tototra; notampenany ny loharano rehetra; nokapainy ny hazo mamoa rehetra, ary tsy nisy tavela na inona na inona tao Kir-Karoseta afa-tsy ny vato, fa voahodidin’ny mpandefa antsamotady sy nasiany.


Hanidina amin’ny soroky ny Filistinina any andrefana izy, ary hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana; i Edôma sy i Moaba hasiany amin’ny tanany; ary ny taranak’i Amôna, hanoa azy ireo.


Faminaniana momba an’i Babilôna nambara tamin’i Izaia, zanak’i Amôsa.


Tamin’ny taona nahafatesan’i Akaza mpanjaka no nivoahan’izao faminaniana izao.


Koa mipararetra hoatra ny harpa ny tsinaiko, noho ny amin’i Moaba; sy ny foko noho ny amin’i Kira-Haresa.


Fantatray ny avonavon’i Moaba, ilay fatra-piavonavona, ny rehareha aman’avonavony, ny anjonanjony aman-teny mamitaka.


Koa aoka i Moaba hitomany an’i Moaba; aoka hidradradradra izy rehetra! Ny ampempam-boalobok’i Kira Hereseta, no aoka hitomanianareo, amim-pahareraham-po mafy.


Fa ny tanan’i Iaveh hipetraka amin’ity tendrombohitra ity; ary i Moaba kosa, hohosihosena an-toerana, toy ny fihosihosy mololo ao an-dobon-jezika.


Ny mandanao avo be, harodany, hazerany, hatontany amin’ny tany, anatin’ny vovoka.


Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesebona, Ary lelafo avy tao an-tanànan’i Sehôna, Ka nandevona an’i Ara-Moaba, Dia ny tampon’ny havoan’i Arnôna.


Mandehana amin’izao mamaky ny faritr’i Moaba, dia i Ara,


ka ho tonga any akaikin’ny taranak’i Amôna ianao, nefa aza manomboka ady aminy, na mifanditra aminy, fa tsy hanomezako ho fanananao ny tanin’ny taranak’i Amôna, na dia kely aza, satria efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta izany.


Hoy i Iaveh tamiko: Aza manomboka ady amin’i Moaba, ary aza rafitra ady aminy, fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, na kely aza, satria i Ara efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra