Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 2:1 - Baiboly Katolika

1 Ireto ny olona ambanivohitra niverina avy amin’izay nanaovana sesitany azy, dia izay nentin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna ho any Babilôna, ka niverina ho any Jerosalema sy i Jodà, samy ho any an-tanànany avy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ireto ireo avy any amin’ny fari-piadidiana niakatra avy tamin’ny fahababoana; nobaboin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona ka noentiny ho any Babilona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy:

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Tamin’ireo olona nobaboin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ka nentiny ho any Babilônia, dia maro ny teraky ny faritanin’i Joda no niala sesitany ka nitodi-doha ho any Jerosalema sy Joda, samy niverina ho any an-tanànany avy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Tamin’ireo olona nobaboin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ka nentiny ho any Babilônia, dia maro ny teraky ny faritanin’i Joda no niala sesitany ka nitodi-doha ho any Jerosalema sy Joda, samy niverina ho any an-tanànany avy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY izao no olona amin’izany tany izany izay niakatra avy amin’ny fahababoana, izay nobaboin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy, –

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary izao no olona amin'izany tany izany izay niakatra avy amin'ny fahababoana, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ireto ireo avy any amin’ny fari-piadidiana niakatra avy tamin’ny fahababoana; nobaboin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona ka noentiny ho any Babilona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy:

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 2:1
27 Rohy Ifampitohizana  

Nentin’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina avokoa ny vahoaka sisa tafajanona tao an-tanàna, sy ny mpilefa nitolo-tena tamin’ny mpanjakan’i Babilôna, ary ny vahoaka be sisa rehetra,


Voasoratra amin’ny tetiaram-pirazanana avokoa izany i Israely rehetra, ka indreto izy voasoratra ao amin’ny bokim-panjakan’i Israely; ary nenti-ko babo tany Babilôna i Jodà, noho ny fahotany.


Ny mponina voalohany, nonina tamin’ny taniny, tamin’ny tanànany, dia ny Israelita, ny Mpisorona, ny Levita, ary ny Natineanina.


5.400 no totalin’ny fanaka volamena sy volafotsy. Dia nentin’i Sasabasara avokoa ireo, nony niverina avy any Babilôna ho any Jerosalema ireo voasesitany.


dia niverina niaraka tamin’i Zôrôbabela, i Jôsoe, i Nehemia, i Saraiasa, i Rahelaiasa, i Mardokea, i Belsàna, i Mesfara, i Begoai, i Rehoma, i Baanà. Izao no isan’ny ankapobem-bahoaka tamin’i Israely:


Toy izany no nahatafapetraka azy tamin’ny tanànany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita, ny sarambabem-bahoaka, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, sy ny Natineanina, ary nonina tamin’ny tanànany avy i Israely rehetra.


Aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa teny amin’ny faritanin’i Jodà, amin’ny tranon’Andriamanitra lehibe, izahay. Vato makadiry no anaovany azy, ary ny hazo dia halatsaka amin’ny rindrina, atao amim-pahazotoana ny asa, ary mandroso tsara ao an-tanan’izy ireo.


Ka indro hita tao Ekbatàna, tanàna mimanda ao amin’ny faritanin’i Media, horonan-taratasy anankiray nisy izao filazana voasoratra izao:


Ary nanatitra sorona dorana ho an’ny Andriamanitr’i Israely ny olona avy any amin’ny tany nahavoasesitany azy, dia ny zanaky ny fahababoana, ombalahy 12 ho an’i Israely rehetra, ondralahy 96, zanak’ondry 77, osy lahy 12, noho ny ota: natao sorona dorana ho an’i Iaveh izany rehetra izany.


Izao no mpisorona sy Levita niara-niverina tamin’i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, sy i Josoe: I Saraiasa, i Jeremia, i Esdrasa,


«Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira ny Kaldeanina, amin’ny hobin-kafaliana! Torio izany, ataovy antso avo koa, ampandreneso hatrany am-paran’ny tany! Lazao hoe: I Iaveh efa nanavotra an’i Jakôba mpanompony!


Dia hampodiko ho any amin’ny fonenany indray i Israely ka hiraotra eny Karmela sy eny Basàna izy; ary eny an-tendrombohitr’i Efraima sy i Galaada, izy no handeha hivoky.


I Jodà dia lasan-ko babo, fadiranovana, voaheloka hiasa mafy; mitoetra any amin’ny firenena, tsy mahita fitsaharana; tratr’ireo mpanenjika azy, teo an-kadilànana tery.


Ny mpampahory azy mahery, ny fahavalony miadana; fa izy nampahorin’i Iaveh, noho ny hamaroan’ny fahadisoany. Ny zanany madinika lasan-ko babo, eo anoloan’ny mpampahory.


Lasan’izay ny helokao, ry zanaka vavin’i Siôna, tsy hanesi-tany anao intsony izy. Mamangy ny helokao izy, ry zanaka vavin’i Edôma, asehony miharihary ny fahotanao.


Ho faritany ho an’ny sisa amin’ny taranak’i Jodà izany, hiandry ny ondriny eo izy; dia handry ao amin’ny tranon’i Askalôna nony hariva, fa hamangy sy hanangana azy indray i Iaveh Andriamaniny.


Nony voavakin’ny governora ny taratasy, dia nanontany izay faritany niavian’i Paoly izy, ka nony fantany fa avy any Silisia izy,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra