Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ezra 2:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Tamin’ireo olona nobaboin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ka nentiny ho any Babilônia, dia maro ny teraky ny faritanin’i Joda no niala sesitany ka nitodi-doha ho any Jerosalema sy Joda, samy niverina ho any an-tanànany avy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ireto ireo avy any amin’ny fari-piadidiana niakatra avy tamin’ny fahababoana; nobaboin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona ka noentiny ho any Babilona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Tamin’ireo olona nobaboin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ka nentiny ho any Babilônia, dia maro ny teraky ny faritanin’i Joda no niala sesitany ka nitodi-doha ho any Jerosalema sy Joda, samy niverina ho any an-tanànany avy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ireto ny olona ambanivohitra niverina avy amin’izay nanaovana sesitany azy, dia izay nentin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna ho any Babilôna, ka niverina ho any Jerosalema sy i Jodà, samy ho any an-tanànany avy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY izao no olona amin’izany tany izany izay niakatra avy amin’ny fahababoana, izay nobaboin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy, –

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary izao no olona amin'izany tany izany izay niakatra avy amin'ny fahababoana, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy,

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 2:1
27 Rohy Ifampitohizana  

Dia nentin’i Nebozaradàna ho babo ireo mponina sisa tao an-tanàna sy ireo olona nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babilôna ary ny sisa tamin’ireo mpahay taozavatra.


Dia vita isa, araka ny firazanany avy, ny Israelita rehetra; ary indro efa voasoratra ao amin’ny boky firaketan’ny mpanjakan’i Israely izany. Ny olona tao Joda dia nentina ho babo tany Babilôna, noho ny fahotany.


Ireo tafaverina voalohany teo amin’ny taniny sy teo amin’ny tanànany aloha dia sarambabem-bahoaka israelita, vao ny mpisorona sy ny levita ary ny mpanampy azy ireo tao an-tempoly.


Ny isan’ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra dia 5 400; ka nentin’i Sesebatsàro ireo, fony niakatra avy tany Babilôna ho any Jerosalema ny voasesitany.


ireo no nandeha niaraka tamin’ireto mpitarika azy ireto, dia ry i Zerobabela, i Jesoa, i Nehemià, i Seraià, i Relaià, i Môrdôkay, i Bilsàna, i Mispara, i Bigvay, i Rehoma, ary i Bahanà. Izao kosa no isan’ny vatan-dehilahy tao anatin’izany andian’Israelita izany:


Samy nipetraka teny amin’ny tanàna nasaina hipetrahany avy ny mpisorona sy ny levita ary ny sarambabem-bahoaka sasantsasany toy ny mpihira na mpiandry varavarana na mpanampy ny levita; fa ny Israelita hafa rehetra kosa dia samy nonina tao an-tanànany avy.


Aoka mba ho fantatrao fa teny amin’ny faritanin’i Joda sy tao amin’ny tranon’ilay Andriamanitra lehibe izahay. Aorina indray io trano io izao, ka vato vaventy no ampiasaina ary hazo matevina no alatsaka amin’ny rindrina; voakaly tsara ary mandroso haingana izany asa eo am-pelatanan’ny Jiosy izany.


Saingy tao Akmeta, izay tanànamimanda ao amin’ny faritr’i Media, no nahitana horonan-taratasy anankiray mirakitra izao filazana an-tsoratra izao:


Izay rehetra niverina avy any an-tsesitany dia nanolotra sorona ho an’Ilay Andriamanitr’i Israely. Ka tamin’ny anaran’i Israely tsivakivolo no nanolorany ombilahy 12 sy ondrilahy 96 ary zanakondry 77 ho sorona dorana manontolo, sady nanolorany osilahy 12 ho sorona fanalana ny ota: natao sorona nolevonina manontolo ho an’ny TOMPO izany rehetra izany.


Ireto no mpisorona sy levita izay niverina avy any an-tsesitany niaraka tamin’i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela sy niaraka tamin’i Jesoa: I Seraià sy i Jeremià ary i Hezrà,


Ity tantara ity dia nitranga tamin’ny andron’ny amperôra Kserksesa, izay nanjaka tamina faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia.


ka nasainy hoentin’ireto tandapa ireto eo anatrehany i Vastỳ mpanjakavavy, misatroka ny satroboninahitra maha mpanjakavavy azy. Tiany haseho amin’ny manampahefana sy ny olon-kafa teo manko ny hatsaran-tarehin’i Vastỳ, satria maha te hizaha ravehivavy.


Araka ny fepetra dia samy nisotro tsy nisy naneritery azy ny olona; fa ny nandidian’ny amperôra ireo mpanompo rehetra ao an-dapany manko dia ny hanaovan’ny olona tsirairay araka izay sitrapony avy.


Tamin’io andro io, andro faha-23 tamin’ny volana fahatelo na volana Sivàna, dia nantsoina ny mpitantsoratry ny amperôra. Araka izay rehetra nandidian’i Môrdôkay no nanoratany taratasy ho an’ny Jiosy sy ny solotenan’ny amperôra mbamin’ny governora sy mpitondra any amin’ny faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia. Taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony na araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny Jiosy no nataony.


Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira avy ao Kaldea! Amin’ny horakora-pifaliana no anambarao izao vaovao mahafaly izao, hatrany amin’ny faran’ny tany; torio ary aelezo izany, ka lazao hoe: «Ny TOMPO no nanavotra ny firenen’i Jakôba mpanompony!»


Fa i Israely kosa haveriko amin’ny kijana fiandrasana azy, ka hirao-bilona any Karmela sy any Basàna; ary eo an-tendrombohitr’i Efraîma sy ao Gilehada no hahafa-po sy hahavoky azy.


Difotry ny fahoriana sy vesaram-panompoana no lasan-ko babo ny fokon’i Joda. Mitoetra any amin’ny hafa firenena izy izao kanefa tsy mahita hifaharana. Izay rehetra mpanenjika azy dia nahatratra azy an-katerena.


Ny fahavalony no lasa ambony ary ny mpiady aminy no miadana; satria ny TOMPO no mampahory an’i Tsiôna noho ireo fahadisoany maro. Atosi-pahavalo ireo zanany madinika no lasa ho any an-tsesitany.


Efa tapitra ny famaizana anao, ry Tsiôna, ka tsy hoentina ho babo intsony ianao. Fa ianao kosa, ry Edôma, hovalian’ny Tompo ny fahadisoanao, hovakiny bantsilana ny helokao.


Ny sisa velona amin’ny taranak’i Joda no hanana izany faritra izany; ao no hiandrasany biby fiompy, ary ny tranon’i Askelôna no hatoriany amin’ny hariva. Fa hanasoa azy ny TOMPO Andriamaniny ary hanome fanambinana azy indray.


Rehefa voavakin’ny governora ny taratasy, dia nanontaniany izay faritany fiavian’i Paoly; ka nony fantany fa avy any Silisia i Paoly,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra