Ezra 10:9 - Baiboly Katolika9 Tao anatin’ny hateloan’andro dia vory tao Jerosalema ny lehilahy rehetra amin’i Jodà sy i Benjamina; andro faha roapolon’ny volana fahasivy tamin’izay. Nipetraka teo amin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra avokoa ny vahoaka rehetra, samy nangovitra noho ity toe-draharaha, sady avy koa ny orana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20119 Nony tamin’ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin’ny andro faharoapolo tamin’ny volana fahasivy; nipetraka teo amin’ny toerana malalaka akaikin’ny tranon’Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA9 Nony afaka telo andro, izany hoe ny andro faharoapolon’ny volana fahasivy, dia vory tao Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’i Joda sy i Benjamîna; ary nipetraka teo an-kianjan’ny tranon’Andriamanitra ny vahoaka rehetra ka samy nangovitra noho izany toe-draharaha izany, ary koa noho ny ranonorana be. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara9 Nony afaka telo andro, izany hoe ny andro faharoapolon’ny volana fahasivy, dia vory tao Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’i Joda sy i Benjamîna; ary nipetraka teo an-kianjan’ny tranon’Andriamanitra ny vahoaka rehetra ka samy nangovitra noho izany toe-draharaha izany, ary koa noho ny ranonorana be. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy9 Ary nony tamin’ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin’ny andro faharoa-polo tamin’ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin’ny tranon’Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be. Jereo ny tokoMalagasy Bible9 Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin'ny tranon'Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache9 Nony tamin’ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin’ny andro faharoapolo tamin’ny volana fahasivy; nipetraka teo amin’ny toerana malalaka akaikin’ny tranon’Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be. Jereo ny toko |