Eksodosy 29:21 - Baiboly Katolika21 Makà amin’ny ra izay eo ambonin’ny ôtely, sy ny diloilo fanosorana, ka fafazo amin’i Aarôna mbamin’ny fanamiany, sy amin’ny zanany mbamin’ny fanamiany dia ho voahasina avokoa izy, na ny tenany amam-panamiany na ny zanany amam-panamiany miaraka aminy.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201121 Ary analao ny ra izay eo ambonin’ny alitara sy ny diloilo fanosorana ka afafazo amin’i Arona sy amin’ny fitafiany ary amin’ireo zanany sy amin’ny fitafian’ireo zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ireo zanany sy ny fitafian’ireo zanany koa. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA21 Hanalanao kely ny ra eo ambony alitara sy ny ilomasina fanokanana, dia hafafinao amin’i Aharôna sy ny fanamiany ary amin’ny zanany lahy sy ny fanamiany; amin’izay dia ho masina i Aharôna sy ny zanany lahy mbamin’ny fanamany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara21 Hanalanao kely ny ra eo ambony alitara sy ny ilomasina fanokanana, dia hafafinao amin’i Aharôna sy ny fanamiany ary amin’ny zanany lahy sy ny fanamiany; amin’izay dia ho masina i Aharôna sy ny zanany lahy mbamin’ny fanamany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy21 Ary analao ny ra, izay eo ambonin’ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin’i Arona sy amin’ny fitafiany, ary amin’ny zanany sy amin’ny fitafian’ny zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ny zanany koa. Jereo ny tokoMalagasy Bible21 Ary analao ny rà, izay eo ambonin'ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin'i Arona sy amin'ny fitafiany, ary amin'ny zanany sy amin'ny fitafian'ny zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache21 Ary analao ny ra izay eo ambonin’ny alitara sy ny diloilo fanosorana ka afafazo amin’i Arona sy amin’ny fitafiany ary amin’ireo zanany sy amin’ny fitafian’ireo zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ireo zanany sy ny fitafian’ireo zanany koa. Jereo ny toko |