Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 25:33 - Baiboly Katolika

33 Ny rantsany voalohany dia hisy ravim-boninkazo telo miendrika vonin’amandia bokony sy voniny; ny rantsany faharoa dia hisy ravim-boninkazo telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; dia ho toy izany avokoa ny rantsany enina avy, amin’ny fanaovan-jiro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Hisy foto-boniny telo, hatao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny eo amin’ny rantsany iray; ary foto-boniny telo koa no hatao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny eo amin’ny rantsany iray hafa; dia toy izany avokoa amin’ny rantsany enina amin’ny fitoeran-jiro.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

33 Isaky ny rantsana tsirairay dia hisy felam-boninkazo telo miendrika felam-paiso miaraka amin’ny bokony sy ny voniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Isaky ny rantsana tsirairay dia hisy felam-boninkazo telo miendrika felam-paiso miaraka amin’ny bokony sy ny voniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 dia vodi-voniny telo atao tahaka ny vonin’ny amygdala, mbamin’ny kiboriny sy ny voniny, eo amin’ny sampany anankiray; ary vodi-voniny telo koa atao tahaka ny vonin’ny amygdala, mbamin’ny kiboriny sy ny voniny, eo amin’ny sampany anankiray koa; dia toy izany avokoa amin’ny sampany enina izay amin’ny fanaovan-jiro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 dia vodi-voniny telo atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny, eo amin'ny sampany anankiray; ary vodi-voniny telo koa atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny, eo amin'ny sampany anankiray koa; dia toy izany avokoa amin'ny sampany enina izay amin'ny fanaovan-jiro.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 25:33
7 Rohy Ifampitohizana  

Hisy bokony iray eo ambanin’ny rantsana roa voalohany, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro, bokony iray koa eo ambanin’ny rantsany roa manarakaraka, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro, ary bokony iray koa eo ambanin’ny rantsany roa farany, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro, araka ny rantsany enina, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro.


bokony iray teo ambanin’ny rantsany roa voalohany, misampana avy amin’ny fanaovan-jiro; bokony iray teo amin’ny rantsany roa manarakaraka avy amin’ny fanaovan-jiro; ary bokony iray teo ambanin’ny rantsany roa farany avy amin’ny fanaovan-jiro, araka ny rantsany enina misampana avy amin’ny fanaovan-jiro.


Ary hazo ôliva roa no manotrona azy, ny iray eo ankavanan’ny tavy, ary ny iray eo ankaviany.»


ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra