Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 21:28 - Baiboly Katolika

28 «Raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia ny omby no hotoraham-bato sy tsy hohanin-kena, fa ny tompony ho afaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy dia hotoraham-bato tokoa ny omby ary tsy hohanina ny henany; fa ny tompon’ilay omby kosa dia ho afa-tsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

28 «Raha misy ombilahy manoto ka mahafaty lehilahy iray na vehivavy iray, dia hotoraham-bato ho faty izy ary tsy azo hanina ny henany; fa ny tompon’ilay ombilahy kosa dia ho afa-tsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 «Raha misy ombilahy manoto ka mahafaty lehilahy iray na vehivavy iray, dia hotoraham-bato ho faty izy ary tsy azo hanina ny henany; fa ny tompon’ilay ombilahy kosa dia ho afa-tsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Ary raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa ny omby, ary tsy hohanina ny henany; ary ny tompon’ilay omby dia ho afa-tsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Ary raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa ny omby, ary tsy hohanina ny henany; ary ny tompon'ilay omby dia ho afa-tsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

28 Raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy dia hotoraham-bato tokoa ny omby ary tsy hohanina ny henany; fa ny tompon’ilay omby kosa dia ho afa-tsiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 21:28
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary raha mahafa-nify iray amin’ny ankizilahiny na ny ankizivaviny izy, dia handefa azy ho afaka ho onitry ny nifiny.


Raha omby efa nanoto hatramin’ny ela anefa sady efa nilazana izany ny tompony, nefa tsy mitandrina azy, dia hotoraham-bato ny omby, raha mahafaty lehilahy na vehivavy, ary atao maty koa ny tompony.


Fa raha andevolahy na andevovavy no totoin’ny omby dia vola fotsy telopolo sikla no haloa ho an’ny tompon’ny andevo, ary ny omby hotoraham-bato.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra