Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Apokalipsy 4:6 - Baiboly Katolika

6 Nisy toa ranomasina fitaratra miendri-kristaly teo anoloan’ilay seza fiandrianana, ary Zava-manana aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy an-damosiny no teo afovoany sy nanodidina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Teo anoloan’ny sezafiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato kristaly. Teo afovoan’ny sezafiandrianana sy manodidina azy dia nisy zavamananaina efatra feno maso avokoa teo anoloany sy teo ivohony.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 Teo anoloan’ilay sezafiandrianana afovoany dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vatosoa kristaly. Namefy akaiky an’ilay sezafiandrianana afovoany isaky ny lafiny avy dia nisy zava-miaina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Teo anoloan’ilay sezafiandrianana afovoany dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vatosoa kristaly. Namefy akaiky an’ilay sezafiandrianana afovoany isaky ny lafiny avy dia nisy zava-miaina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary teo anoloan’ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan’ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan-aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary teo anoloan'ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan'ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan'aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Teo anoloan’ny sezafiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato kristaly. Teo afovoan’ny sezafiandrianana sy manodidina azy dia nisy zavamananaina efatra feno maso avokoa teo anoloany sy teo ivohony.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 4:6
25 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanao ny ranomasina anidina izy, folo hakiho ny habeny, hatramin’ny molony iray ka hatramin’ny molony iray, boribory ny tenany manontolo, dimy hakiho ny haavony, kofehy 30 hakiho no naharefy manodidina azy.


Ny volamena amam-pitaratra tsy azo ampitahaina aminy; ny kapoaka volamena madio tsy mahatakalo azy.


Nanao ny tavy varahina sy ny faladiany varahina izy tamin’ny fitaratr’ireo vehivavy mpivory eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana.


Ary feno maso avokoa ny manodidina ny tenan’ny Kerobima, ny lamosiny, ny tanany, ny elany, mbamin’ny kodiarana; samy nanana ny kodiarany avy izy efatra.


Isan-Kerobima samy nanan-tarehy efatra avy: ny tarehin’ny voalohany, tarehin-Kerobima, ny tarehin’ny faharoa, tarehin’olona; ny an’ny fahatelo, tarehin’ombalahy; ary ny an’ny fahefatra, tarehim-boromahery.


Nihira toa hira vaovao izy ireo, teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra ary teo anatrehan’ireo Anti-dahy; ka tsy nisy nahazo nanao izany hira izany, afa-tsy izy 144.000 ireo, izay navotana ho afaka amin’ny tany.


Ary nahita toa ranomasina fitaratra miharo afo aho; ka izay nandresy ny Biby sy ny sariny ary ny isan’ny anarany no nitsangana teo amoron’io ranomasina fitaratra io, mitana ny harp’Andriamanitra.


Dia natolotry ny iray amin’ny Zava-manana aina efatra ny Anjely fito ireto kapoaka volamena fito, feno ny fahatezeran’Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay,


Tamin’izany ny Anti-dahy efatra amby roapolo sy ny Zava-manana aina efatra dia niankohoka nitsaoka an’Andriamanitra, nanao hoe: «Amen! Aleloia!»


Namirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra izy, ary voazavan’ny kintana toy ny vato sarobidy, dia ny vato jaspa izay azo itarafana toy ny kristaly.


Vato jaspa no nanaovana ny mandan’ny tanàna; ary tena volamena madio toy ny fitaratra kristaly ny tanàna.


Ny vavahady roa ambin’ny folo dia voahangy roa ambin’ny folo, fa voahangy iray ihany ny vavahady iray, ary ny lalam-ben’ny tanàna dia tena volamena madio, manganohano hoatra ny fitaratra.


Dia nasehony ahy ity onin-dranovelona, mangarangarana toy ny kristaly, nivoaka avy ao amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry, namaky ny kianjan’ny tanàna.


Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nanodidina ilay seza fiandrianana anankiray, ka Anti-dahy 24 koa no nipetraka tambonin’ireo; fitafiana fotsy no nentiny, ary satroboninahitra volamena no teny an-dohany.


Dia hitako, sady reko koa ny feon’Anjely maro, nanodidina ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina ary ireo Anti-dahy, ka ny isany dia alinalina sy arivoarivo,


Dia novalian’ny Zava-manana aina efatra hoe: «Amen.» Ary ny Anti-dahy efatra amby roapolo niankohoka nitsaoka an’Ilay velona mandrakizay mandrakizay.


Ary hitako, fa indro, teo afovoan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra, sy teo afovoan’ireo Anti-dahy, dia nisy Zanak’ondry nitsangana, tahaka ny voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina any amin’ny tany rehetra.


Nony nandray ny boky Izy; dia niankohoka teo anoloan’ny Zanak’ondry ny Zava-manana aina efatra sy ny Anti-dahy efatra amby roapolo, izay samy nanana lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra, dia ny fivavahan’ny olo-masina izany.


Ary hitako fa nosokafan’ny Zanak’ondry ny iray tamin’ny tombokase fito; ka reko niteny toy ny kotro-baratra ny iray amin’ny Zava-manana aina efatra, nanao hoe: «Avia hijery.»


Sady nisy toy ny feo koa reko avy tao afovoan’ny Zava-manana aina efatra, nanao hoe: «Denie iray ny varimbazaha eran’ny fatam-bary; denie iray ny vary orja intelon’ny fatam-bary; ary aza manimba ny divay sy ny diloilo.»


Dia nitsangana nanodidina ny seza fiandrianana sy ireo Anti-dahy ary ny Zava-manana aina efatra ny Anjely rehetra, ka niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianana, nitsaoka an’Andriamanitra,


Fa ny Zanak’ondry, izay mipetraka eo afovoan’ny seza fiandrianana, no ho Mpiandry azy, sy hitondra azy ho amin’ny loharanon’aina, ary Andriamanitra no hamaoka ny ranomaso rehetra amin’ny masony.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra