Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Apokalipsy 4:7 - Baiboly Katolika

7 Ilay Zava-manana aina voalohany moa toy ny liona, ny faharoa tahaka ny zanak’omby, ny fahatelo nanan-tava toy ny an’ny olona, ary ny fahefatra sahala amin’ny voromahery manidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ny zavamananaina voalohany dia tahaka ny liona, ny zavamananaina faharoa dia tahaka ny zanak’omby, ny zavamananaina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan’olona ary ny zavamananaina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Ny zava-miaina voalohany dia tahaka ny liona; ny zava-miaina faharoa dia tahaka ny vantotr’ombalahy; ny zava-miaina fahatelo dia manan-tava tahaka ny an’ny olona; ary ny zava-miaina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ny zava-miaina voalohany dia tahaka ny liona; ny zava-miaina faharoa dia tahaka ny vantotr’ombalahy; ny zava-miaina fahatelo dia manan-tava tahaka ny an’ny olona; ary ny zava-miaina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary ny zava-manan-aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-manan-aina faharoa dia tahaka ny zanak’omby, ary ny zava-manan-aina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan’olona, ary ny zava-manan-aina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary ny zava-manan'aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-manan'aina faharoa dia tahaka ny zanak'omby, ary ny zava-manan'aina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan'olona, ary ny zava-manan'aina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ny zavamananaina voalohany dia tahaka ny liona, ny zavamananaina faharoa dia tahaka ny zanak’omby, ny zavamananaina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan’olona ary ny zavamananaina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 4:7
20 Rohy Ifampitohizana  

Liona tanora i Jodà: Niakatra avy nandripaka ianao, anaka; Nanongalika izy, dia nanao fandrin-diona, Fandrin-diom-bavy, zovy no hanaitra azy?


Malala sy mahatehotia i Saola sy i Jônatasy, fony fahavelony, ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka. Mailaka noho ny voromahery izy, mahery noho ny liona.


Amin’ny tany tsy mandry, mihamaro ny mpanapaka, fa amin’ny olona manan-tsaina sy hendry kosa, maharitra ny filaminana.


Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.


Izao avy no notahafin’ny tarehiny: ny anoloana tarehin’olombelona, ny ankavanana tarehin-diona, azy efatra; ny ankavia tarehin’ombalahy, azy efatra, ary tarehim-boromahery azy efatra.


Nisy tanan’olona avy teo ambanin’ny elany, amin’ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tavany aman’elany avy, izy efatra.


Isan-Kerobima samy nanan-tarehy efatra avy: ny tarehin’ny voalohany, tarehin-Kerobima, ny tarehin’ny faharoa, tarehin’olona; ny an’ny fahatelo, tarehin’ombalahy; ary ny an’ny fahefatra, tarehim-boromahery.


Samy nanan-tarehy efatra, ary samy nanana elatra efatra avy izy; ary nisy endri-tanan’olona, teo ambany elany.


Na hisondrotra ho avo toy ny voromahery aza ianao, ka hametraka ny akaninao eny amin’ny kintana, dia hampidina anao avy eny Aho, - teny marin’i Iaveh. -


Indro firenena miarina toy ny liom-bavy, Sy mitsangana mova tsy ny liona! Tsy mandry izy raha tsy efa nihinana ny hazany, Sy efa nisotro ny ran’ny voaratra.»


Manongalika izy ary mandry toy ny liona, Toy ny liom-bavy, ka zovy no hampifoha azy? Hohasoavina anie izay hitso-drano anao! Ho voaozona anie izay hanozona anao!»


Ry kristianina havana, aoka tsy ho zaza amin’ny faharatsiana; mitsangàna ho lehilahy amin’ny fisainana e.


Firenena avy lavitra, avy amin’ny fara vazantany, faingam-pandeha hoatra ny fanidin’ny voromahery, firenena tsy azonao veroka akory no hampandehanin’i Iaveh hamely anao;


Nisy toa ranomasina fitaratra miendri-kristaly teo anoloan’ilay seza fiandrianana, ary Zava-manana aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy an-damosiny no teo afovoany sy nanodidina azy.


Nony nosokafany ny tombokase faharoa, dia reko ny zava-manana aina faharoa nanao hoe: «Avia hijery.»


Nony nosokafany ny tombokase fahatelo, dia reko ny Zava-manana aina fahatelo nanao hoe: «Avia hijery.» Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly mainty, ary ilay nitaingina azy dia nitana mizàna teny an-tanany.


Nony nosokafany ny tombokase fahefatra, dia reko ny feon’ny Zava-manana aina fahefatra, nanao hoe: «Avia hijery.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra