Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 15:30 - Baiboly Katolika30 Ary i Jodasy ilay nanolo-tena manontolo, vatana amam-panahy, hiaro ny iray tanindrazana aminy, sy nitahiry ny fitiavan’ny hatanorany ho an’ny iray firenena aminy, nandidy ny hanapahana ny lohan’i Nikanôra, mbamin’ny tanany miray amin’ny sandriny, sy ny hitondrana izany any Jerosalema. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara30 I Joda Makabeo dia lohalaharana hatrany nanolo-tena mba hiady vatana am-panahy ho fiarovana ny mpiray tanindrazana aminy, sady efa hatry ny hatanorana izy no tsy nitsaha-nitia ireo mpiray firenena aminy. Izy no nanome baiko ny hanapahana ny lohan’i Nikanôra mbamin’ny taniny miray amin’ny sandriny sy ny hitondrana ireo ho any Jerosalema. Jereo ny toko |