Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

2Makabeo 15:21 - Baiboly Katolika

21 i Jodasy kosa, nahita ity vahoaka sesehena, izato hasamihafan’ny fiadiany, izatsy tarehy mahatsiravin’ny elefanta izay voalahatra tsara tokoa, ka nanangan-tanana nanandrandra ny lanitra, niantso ny Tompo manao fahagagana, satria fantany fa tsy avy amin’ny herin’ny fiadiana ny fandresena; fa Andriamanitra no manapaka izany sy manome izany an’izay mendrika azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 I Joda Makabeo kosa, rehefa nahita ny tafi-pahavalo zavon-tany sady mirongo fiadiana isan-karazany, ary koa ireto elefanta maneho endrika masiaka, dia nanandra-tanana tamin’Andriamanitra ary niantso ilay Tompo mpanao zava-mahagaga: fantatr’i Joda manko fa tsy ny herin’ny fitaovam-piadiana no ahazoam-pandresena fa ny fanapahan-kevitr’Andriamanitra izay manome izany an’izay mendrika azy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Makabeo 15:21
0 Rohy Ifampitohizana  

Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra