Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 15:11 - Baiboly Katolika11 Rehefa voahenjany tsirairay avy izy, tsy tamin’ny toky avy amin’ny ampinga aman-defona ihany fa tamin’ny toky avy amin’ny teny soa indrindra, dia notantarainy taminy koa ity nofy mendrika hinoana sy tena fahitana masina ity, izay nahafaly azy rehetra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara11 Izany no nampahatanjahan’i Joda ireo mpomba azy, tsy tamin’ny antoka omen’ny ampinga aman-defona fa tamin’ny hery aterak’ireo teny soa nafafiny. Dia notantarain’i Joda tamin’ireo mpomba azy koa ity nofy mendrika hinoana sady nahafaly azy rehetra ity. Jereo ny toko |