Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 26:22 - Baiboly Katolika

22 Ny asan’i Oziasa sisa, ny voalohany sy ny farany, dia efa voasoratr’i Izaia zanak’i Amôsa mpaminany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ny tantaran’i Ozia sisa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia efa nosoratan’Isaia mpaminany, zanak’i Amoza.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

22 Ny sisa amin’ny tantaran’i Hozià, na tamboalohany na tafara, dia nosoratan’i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Ny sisa amin’ny tantaran’i Hozià, na tamboalohany na tafara, dia nosoratan’i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary ny tantaran’i Ozia sisa, na ny voalohany na ny farany, dia efa nosoratan’Isaia mpaminany, zanak’i Amoza;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary ny tantaran'i Ozia sisa, na ny voalohany na ny farany, dia efa nosoratan'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Ny tantaran’i Ozia sisa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia efa nosoratan’Isaia mpaminany, zanak’i Amoza.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 26:22
8 Rohy Ifampitohizana  

dia naniraka an’i Eliasima lehiben’ny tao an-dapa sy i Sobnà mpanoratra, samy mitafy lasàka, ho any amin’ny Izaia mpaminany, zanak’i Amôsa.


Ny asa nataon-dRôbôama, na ny voalohany na ny farany, moa tsy efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Semaiasa mpaminany, sy ny an’i Adô mpahita, momba ny tetiaram-pirazanana? Niady mandrakariva i Rôbôama sy i Jerôbôama.


Ny asan’i Amasiasa sisa, ny voalohany sy ny farany, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely va izany?


Ary nody mandry tamin’ny razany i Oziasa, tany amin’ny saha fandevenana ny mpanjaka satria boka izy, hoy ny olona. I Joatama zanany no nanjaka nandimby azy.


Ny asan’i Ezekiasa sisa, mbamin’ny asany momba ny fivavahana, dia efa voasoratra ao amin’ny Fahitan’i Izaia mpaminany zanak’i Amôsa sy ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely.


Ny sisa tamin’ny asan’i Salômôna, na ny voalohany na ny farany, moa tsy dia efa voasoratra va izany ao amin’ny bokin’i Natàna mpaminany, sy amin’ny faminanian’i Ahiasa avy any Silô, ary amin’ny fahitan’i Adô ny amin’i Jerôbôama zanak’i Nabata?


Fahitan’i Izaia, zanak’i Amôsa, momba an’i Jodà sy i Jerosalema, izay hitany tamin’ny andron’i Oziasa, i Joatama, i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà.


Tamin’ny taona nahafatesan’i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra