Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 26:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Ny sisa amin’ny tantaran’i Hozià, na tamboalohany na tafara, dia nosoratan’i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ny tantaran’i Ozia sisa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia efa nosoratan’Isaia mpaminany, zanak’i Amoza.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Ny sisa amin’ny tantaran’i Hozià, na tamboalohany na tafara, dia nosoratan’i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Ny asan’i Oziasa sisa, ny voalohany sy ny farany, dia efa voasoratr’i Izaia zanak’i Amôsa mpaminany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary ny tantaran’i Ozia sisa, na ny voalohany na ny farany, dia efa nosoratan’Isaia mpaminany, zanak’i Amoza;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary ny tantaran'i Ozia sisa, na ny voalohany na ny farany, dia efa nosoratan'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Ny tantaran’i Ozia sisa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia efa nosoratan’Isaia mpaminany, zanak’i Amoza.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 26:22
8 Rohy Ifampitohizana  

Avy teo izy naniraka an’i Eliakima mpiandraikitra ny lapa sy i Sebnà mpitantsoratra ary ireo mpisorona tranainy indrindra izay samy nitafy gony mba hankany amin’i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa


Ny tantaran’i Rehabohama, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’i Semahià mpaminany sy i Hidao mpahita sady voavisavisa tsara. Ary niady mandrakariva i Rehabohama sy i Jerôbohama.


Ny sisa amin’ny tantaran’i Amatsià, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ny Bokin’ireo mpanjakan’i Joda sy i Israely.


Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany kosa i Hozià, dia nalevina tao an-tsaha filevena-mpanjaka; kanefa tsy tao amin’ny fasan-drazana no nandevenana azy, satria hoy ny olona hoe: «Voan’ny aretin-koditra izy!» Ary i Jôtama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Ny sisa amin’ny tantaran’i Hezekià sy ireo soa nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Fahitàn’i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa ary ao amin’ny Bokin’ireo mpanjakan’i Joda sy i Israely.


Ny sisa amin’ny tantaran’i Salômôna, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ireo boky milohateny hoe Asan’i Natàna mpaminany sy Faminanian’i Ahià avy any Silao ary Fahitàn’i Hidao. –Ity boky farany ity dia mitantara ny amin’i Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata–.


Fanambaràn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, ny amin’i Joda sy i Jerosalema. Nanafaran’ny Tompo azy izany, tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama ary i Ahaza sy i Hezekià mpanjakan’i Joda.


Tamin’ny taona nahafatesan’i Hozià mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo amin’ny sezafiandrianana avo dia avo; ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra