Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 26:19 - Baiboly Katolika

19 I Oziasa amin’izany, nitana fanembohana teny an-tanany mba hanolotra zava-manitra, ka nisafoaky ny hatezerana; ka nony nitezitra ny mpisorona teo izy, dia indro teo amin’ny handriny nisy habokana mipoitra, teo anatrehan’ny mpisorona, tao an-tranon’i Iaveh, teo anoloan’ny ôtely fandoroan-java-manitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Dia nisafoaka i Ozia, ary nisy lovia handoroany ditin-kazo manitra teny an-tanany; koa raha mbola nisafoaka tamin’ny mpisorona izy dia nisy habokana nipoitra tamin’ny handriny teo anatrehan’ny mpisorona tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anilan’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 Mbola teny an-tanan’i Hozià ny fitaovana fandoroana vovo-javamanitra no nisafoaka tamin’ireo mpisorona izy. Tamin’izay indrindra dia nisy aretin-koditra nipoitra teo amin’ny handriny raha izy mbola tao an-tranon’ny TOMPO iny, teo anatrehan’ny mpisorona sady teo anilan’ny alitara fandoroana vovo-javamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Mbola teny an-tanan’i Hozià ny fitaovana fandoroana vovo-javamanitra no nisafoaka tamin’ireo mpisorona izy. Tamin’izay indrindra dia nisy aretin-koditra nipoitra teo amin’ny handriny raha izy mbola tao an-tranon’ny TOMPO iny, teo anatrehan’ny mpisorona sady teo anilan’ny alitara fandoroana vovo-javamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Dia nisafoaka Ozia, ary nisy lovia teny an-tànany handoroany ditin-kazo manitra; koa raha mbola nisafoaka tamin’ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra tamin’ny handriny teo anatrehan’ny mpisorona tao an-tranon’i Jehovah, tanilan’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Dia nisafoaka Ozia, ary nisy lovia teny an-tànany handoroany ditin-kazo manitra; koa raha mbola nisafoaka tamin'ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra tamin'ny handriny teo anatrehan'ny mpisorona tao an-tranon'i Jehovah, tanilan'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Dia nisafoaka i Ozia, ary nisy lovia handoroany ditin-kazo manitra teny an-tanany; koa raha mbola nisafoaka tamin’ny mpisorona izy dia nisy habokana nipoitra tamin’ny handriny teo anatrehan’ny mpisorona tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anilan’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 26:19
7 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga avy any Damasa ny mpanjaka, dia nahita ny ôtely. Nanatona ny ôtely ny mpanjaka dia niakatra teo;


Tezitra tamin’ilay mpahita i Asà ka nasainy natao an-tranomaizina io, fa tezitra tamin’io izy, noho ny tenin’io. Nisy olona sasany tamin’ny vahoaka koa nampahorin’i Asà tamin’izany andro izany indrindra.


Mbola niteny anefa io, dia hoy i Amasiasa taminy: «Moa nanendry anao ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va izahay? Mialà ianao, fandrao asian’ny olona eo!» Dia niala ilay mpaminany, ary nanao hoe: «Fantatro fa efa naraikitr’Andriamanitra ny handringana anao, noho ianao nanao izany, sy tsy nihaino ny torohevitro.»


Nony nijery nankany aminy i Azariasa mpisorona lehibe sy ireto mpisorona rehetra, dia indro fa voan’ny habokana ny handriny. Noroahiny ho any ivelany faingana izy, ary izy koa mba nivoaka faingana fa efa nasian’i Iaveh.


Raha misy mamontsina fotsifotsy eo amin’ny hodiny, sady nanjary fotsy azon’izany ny volon-koditra ary nofo mihena velona no hita eo amin’ny mamontsina,


Ny rahona niala teo ambonin’ny trano lay. Ary indro Maria tonga boka, mova tsy ny oram-panala. Nitodika an’i Maria i Aarôna, dia indro fa boka izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra