Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

2Tantara 26:20 - Baiboly Katolika

20 Nony nijery nankany aminy i Azariasa mpisorona lehibe sy ireto mpisorona rehetra, dia indro fa voan’ny habokana ny handriny. Noroahiny ho any ivelany faingana izy, ary izy koa mba nivoaka faingana fa efa nasian’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Nitodika nijery azy i Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra, koa indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo haingana izy; nefa ny tenany koa dia mba niala teo haingana ihany, satria NY TOMPO no namely azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 Ary i Hazarià mpisorombe sy ireo mpisorona hafa rehetra dia nanatrika nijery azy ka nahita ny aretin-koditra teo amin’ny handriny. Dia noroahiny hiala ny Toeramasina izy; sady ny tenany koa mba nivoaka ny tempoly faingana ihany, satria tsapany efa namely azy ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Ary i Hazarià mpisorombe sy ireo mpisorona hafa rehetra dia nanatrika nijery azy ka nahita ny aretin-koditra teo amin’ny handriny. Dia noroahiny hiala ny Toeramasina izy; sady ny tenany koa mba nivoaka ny tempoly faingana ihany, satria tsapany efa namely azy ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra dia nanatrika nijery azy, ka, indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo izy; nefa ny tenany dia mba nivoaka faingana ihany koa, satria Jehovah efa namely azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

20 Nitodika nijery azy i Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra, koa indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo haingana izy; nefa ny tenany koa dia mba niala teo haingana ihany, satria NY TOMPO no namely azy.

Jereo ny toko dika mitovy

2Tantara 26:20
8 Rohy Ifampitohizana  

I Oziasa amin’izany, nitana fanembohana teny an-tanany mba hanolotra zava-manitra, ka nisafoaky ny hatezerana; ka nony nitezitra ny mpisorona teo izy, dia indro teo amin’ny handriny nisy habokana mipoitra, teo anatrehan’ny mpisorona, tao an-tranon’i Iaveh, teo anoloan’ny ôtely fandoroan-java-manitra.

Dia boka hatramin’ny andro nahafatesany i Oziasa mpanjaka, ka nitoetra an-trano manirery, amin’ny mahaboka azy, fa nesorina tao an-tranon’i Iaveh. I Joatama zanany no nanapaka tao an-tranon’ny mpanjaka sy nitsara ny vahoaka tamin’ny tany.

zanak’i Finea zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona lehibe;

Raha misy mamontsina fotsifotsy eo amin’ny hodiny, sady nanjary fotsy azon’izany ny volon-koditra ary nofo mihena velona no hita eo amin’ny mamontsina,

Rehefa tafiditra any amin’ny tany Kanaana izay homeko anareo ho fanananareo ianareo, raha asiako fery habokana ny trano anankiray amin’ny tany hanananareo,

I Iaveh hikapoka anao amin’ny areti-mampitsimozimozy, tazo, fanaintainana, hafanana mahamay, andro mihantona, aretim-bary sy niela, ka hoenjehin’ireo ianao, mandra-pahalevona anao.

Hasian’i Iaveh fery ratsy tsy lai-panafody ny lohalikao sy ny fenao, hasiany hatrany am-paladianao ka hatrany an-tampon-dohanao.

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra