Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 24:12 - Baiboly Katolika

12 Dia nomen’ny mpanjaka sy i Jôiadà an’ireo mpampanao ny asa amin’ny tranon’i Iaveh ny vola, ary nanakaraman’izy ireo mpipai-bato ama-mpandrafitra hamboatra ny tranon’i Iaveh mbamin’ny mpanefy vy amam-barahina hanamafy ny tranon’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary nomen’ny mpanjaka sy i Joiada ho an’izay nanao ny raharahan’ny tranon’NY TOMPO ny vola ka nanakaramany ireo tambato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboarana ny tranon’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Dia natolotry ny mpanjaka sy i Jôiadà ho an’izay nisahana ny raharaha momba ny tranon’ny TOMPO izany vola izany, ka nanakaramany mpipai-bato sy mpandrafitra ary koa mpanefy vy sy halimo mba hanamboarana sy hanamafisana ny tranon’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Dia natolotry ny mpanjaka sy i Jôiadà ho an’izay nisahana ny raharaha momba ny tranon’ny TOMPO izany vola izany, ka nanakaramany mpipai-bato sy mpandrafitra ary koa mpanefy vy sy halimo mba hanamboarana sy hanamafisana ny tranon’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary nomen’ny mpanjaka sy Joiada ho an’izay nanao ny raharahan’ny tranon’i Jehovah ny vola, ka nanakaraman’ireo mpipai-bato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboatra ny tranon’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary nomen'ny mpanjaka sy Joiada ho an'izay nanao ny raharahan'ny tranon'i Jehovah ny vola, ka nanakaraman'ireo mpipai-bato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboatra ny tranon'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary nomen’ny mpanjaka sy i Joiada ho an’izay nanao ny raharahan’ny tranon’NY TOMPO ny vola ka nanakaramany ireo tambato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboarana ny tranon’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 24:12
7 Rohy Ifampitohizana  

Nandefa iraka nankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tira, sy nampitondra hazo sedera, ary naniraka mpandrafitra sy tambato hanao trano ho an’i Davida.


Ary i Hirama, mpanjakan’i Tira, naniraka ny mpanompony ho any amin’i Salômôna, fa reny hoe voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy izy, ary sakaizan’i Davida hatrany hatrany i Hirama.


Amin’ny fotoana hanolorana ny vata amin’ny mpikarakara ny mpanjaka amin’ny alalan’ny Levita, dia amin’izay ahitan’ny Levita fa efa be ny vola, dia tonga ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpanao raharahan’ny mpisorona lehibe manesotra izay rehetra ao anatin’ny vata; alainy ny vata dia averiny ao amin’ny fitoerany indray. Nanao toy izany mandrakariva izy, ka nahavory vola betsaka.


Ka niasa ny mpiasa, ary tao an-tanany dia nandroso ny fanamboarana ny trano, ka tafaveriny amin’ny toetrany taloha ny tranon’Andriamanitra sy nohamafisiny.


Ny amin’ny zanany, ny faminaniana maro namely azy, ny namboarany ny tranon’Andriamanitra, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Fitadiavana momba ny bokin’ny Mpanjaka. I Amasiasa zanany no nanjaka nandimby azy.


Tamin’ny taona faha-18 nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny tranon’Andriamanitra, dia nirahiny i Safàna zanak’i Aslià sy i Maasiasa komandin’ny tanàna, ary i Jôhà zanak’i Jôakaza mpitahiry bokim-panjakana, hamboatra ny tranon’i Iaveh Andriamaniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra