Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

2Tantara 24:11 - Baiboly Katolika

11 Amin’ny fotoana hanolorana ny vata amin’ny mpikarakara ny mpanjaka amin’ny alalan’ny Levita, dia amin’izay ahitan’ny Levita fa efa be ny vola, dia tonga ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpanao raharahan’ny mpisorona lehibe manesotra izay rehetra ao anatin’ny vata; alainy ny vata dia averiny ao amin’ny fitoerany indray. Nanao toy izany mandrakariva izy, ka nahavory vola betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Tamin’ny andro nitondran’ny levita ny vata ho any amin’ny toniany izay voatendrin’ny mpanjaka, rehefa hitany fa be ny vola, dia avy ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny toniany izay voatendrin’ny Mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin’ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin’ny fitoerany indray. Toy izany hatrany no nataony ka nahavory vola betsaka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Nisy ny fotoana fitondran’ny levita ny vata ho any amin’ny mpanaramaso voatendrin’ny mpanjaka; ka rehefa hitan’io mpiandraikitra io fa be ny vola tao anaty vata, dia avy ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny tonia voatendrin’ny mpisorombe manaisotra izay vola rehetra ao, ary namerina indray ny vata eo amin’ny toerany. Toy izany no natao isan’andro isan’andro, ka vola betsaka no voavory.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary tamin’izay andro nitondran’ny Levita ny vata ho any amin’ny toniany voatendrin’ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola, dia avy ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny toniany voatendrin’ny mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin’ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin’ny fitoerany indray. Toy izany no nataony mandrakariva, ka nahavory vola betsaka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary tamin'izay andro nitondran'ny Levita ny vata ho any amin'ny toniany voatendrin'ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola, dia avy ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny toniany voatendrin'ny mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin'ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin'ny fitoerany indray. Toy izany no nataony mandrakariva, ka nahavory vola betsaka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Tamin’ny andro nitondran’ny levita ny vata ho any amin’ny toniany izay voatendrin’ny mpanjaka, rehefa hitany fa be ny vola, dia avy ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny toniany izay voatendrin’ny Mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin’ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin’ny fitoerany indray. Toy izany hatrany no nataony ka nahavory vola betsaka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

2Tantara 24:11
4 Rohy Ifampitohizana  

Nahafaly ny lehibe rehetra sy ny vahoaka rehetra izany, ka samy nanatitra izay rehetra tsy maintsy aloany avy izy, sy nandatsaka izany tao amin’ilay vata.

Dia nomen’ny mpanjaka sy i Jôiadà an’ireo mpampanao ny asa amin’ny tranon’i Iaveh ny vola, ary nanakaraman’izy ireo mpipai-bato ama-mpandrafitra hamboatra ny tranon’i Iaveh mbamin’ny mpanefy vy amam-barahina hanamafy ny tranon’i Iaveh.

Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro.

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra