2Tantara 13:13 - Baiboly Katolika13 Nasain’i Jerôbôama nandeha nisafelika ireo nanao otrika mba handrosoany avy any aoriana hamely ny fahavalony, ka ny antokony notarihiny moa, teo anoloan’i Jodà, ny otrika teo ivohony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201113 Fa nasain’i Jeroboama nivily nihodidina ny fandehan’ny vela-pandrika mba hahatonga azy ireo ho ao aorianan’ny Joda ka teo anoloan’ny Joda izy, nefa ny vela-pandrika teo ivohony. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA13 Fa nasain’i Jerôbohama nandroso ny miaramila mpanotrika mba hamely tampoka ny fahavalo avy eo ivoho, hany ka ny tafika israelita tavaratra no teo anoloan’ny Jodeanina ary ny mpanotrika no teo ivohony. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara13 Fa nasain’i Jerôbohama nandroso ny miaramila mpanotrika mba hamely tampoka ny fahavalo avy eo ivoho, hany ka ny tafika israelita tavaratra no teo anoloan’ny Jodeanina ary ny mpanotrika no teo ivohony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy13 Fa nasain’i Jeroboama nanompirana no fandehan’ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan’ny Joda, ary ny otrika teo ivohony. Jereo ny tokoMalagasy Bible13 Fa nasain'i Jeroboama nanompirana no fandehan'ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan'ny Joda, ary ny otrika teo ivohony. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache13 Fa nasain’i Jeroboama nivily nihodidina ny fandehan’ny vela-pandrika mba hahatonga azy ireo ho ao aorianan’ny Joda ka teo anoloan’ny Joda izy, nefa ny vela-pandrika teo ivohony. Jereo ny toko |