Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 10:18 - Baiboly Katolika

18 Tamin’izay i Rôbôama mpanjaka naniraka an’i Adôrama lehiben’ny mpamory hetra; fa ny zanak’i Israely rehetra nitora-bato an’i Adôrama, ka maty io. Dia niezaka niakatra ny kalesy anankiray faingana i Rôbôama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Dia naniraka an’i Adorama, mpifehy ny mpanao fanompoana, i Rehoboama mpanjaka, nefa nitora-bato azy ny Zanak’Israely ka maty izy. Dia niezaka niakatra haingana amin’ny kalesy fitondrany miady i Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Ary naniraka an’i Adôrama mpiandraikitra ny asa an-terivozona i Rehabohama mpanjaka; nefa nitora-bato an’i Adôrama ny Israelita tavaratra ka nahafaty azy. Zara raha afa-nitaingina ny kalesiny haingana i Rehabohama mba handositra any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ary naniraka an’i Adôrama mpiandraikitra ny asa an-terivozona i Rehabohama mpanjaka; nefa nitora-bato an’i Adôrama ny Israelita tavaratra ka nahafaty azy. Zara raha afa-nitaingina ny kalesiny haingana i Rehabohama mba handositra any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary dia naniraka an’i Adorama, komandin’ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak’Isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin’ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak'isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Dia naniraka an’i Adorama, mpifehy ny mpanao fanompoana, i Rehoboama mpanjaka, nefa nitora-bato azy ny Zanak’Israely ka maty izy. Dia niezaka niakatra haingana amin’ny kalesy fitondrany miady i Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 10:18
5 Rohy Ifampitohizana  

i Ahisara no lehiben’ny tao an-dapa; ary i Adônirama zanak’i Abdà no mpiadidy ny momba ny fanompoana.


Avy amin’ny firenena rehetra, dia nisy olona tonga hihaino ny fahendren’i Salômôna, ary avy amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra izay nandre ny lazan’ny fahendreny.


Ny zanak’i Israely nonina tamin’ireo tanànan’i Jodà ihany, no hany nanjakan-dRôbôama.


Ka niray tetika hamely an’io izy ireo, ka nitora-bato azy, dia teo amin’ny kianjan’ny tranon’i Iaveh, noho ny didin’ny mpanjaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra