Rehefa hitan’i Israely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia hoy ny navalin’ny vahoaka ny mpanjaka: «Manana anjara inona amin’i Davida moa izahay? Tsy manan-dova amin’ny zanak’i Isaia izahay! Koa samia ho any an-dainy, ry Israely, fa ianao kosa, ry Davida, ahio ny tranonao!» Dia samy nody ho any an-dainy avy i Israely rehetra.