2Samoela 9:3 - Baiboly Katolika3 Ka hoy ny mpanjaka: «Tsy misy olona amin’ny fianakavian’i Saola intsony va, ka hanisy soa azy aho tahaka an’Andriamanitra?» Ary hoy ny navalin’i Sibà tamin’ny mpanjaka: «Mbola misy zanaka lahin’i Jônatasy anankiray ao; fa malemy ny tongony roa.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20113 Hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny taranak’i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’Andriamanitra? Dia hoy i Ziba tamin’ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin’i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA3 Dia nanontany indray ny mpanjaka hoe: –Mbola misy olona sisa velona ve amin’ny fianakavian’i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’Andriamanitra? Ka novalian’i Tsibà hoe: –Mbola misy zanakalahin’i Jônatàna iray izay, nefa malemy tongotra izy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara3 Dia nanontany indray ny mpanjaka hoe: –Mbola misy olona sisa velona ve amin’ny fianakavian’i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’Andriamanitra? Ka novalian’i Tsibà hoe: –Mbola misy zanakalahin’i Jônatàna iray izay, nefa malemy tongotra izy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy3 Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin’ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin’i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy. Jereo ny tokoMalagasy Bible3 Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon'Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin'i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy. Jereo ny toko |
I Jônatasy zanak’i Saola, dia nanan-janaka malemy tongo-droa. Dimy taona io zaza io, no tonga avy any Jezraela, ny filazana ny amin’i Saola sy i Jônatasy hoe maty, ka nentin’ny mpitaiza azy nandositra izy; noho ny firotorotoan’izy io loatra teny am-pandosirana anefa dia potraka ny zaza ka nalemy tongotra. Mifibôseta no anarany