Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Samoela 1:2 - Baiboly Katolika

2 Tamin’ny andro fahatelo, inty nisy lehilahy anankiray, avy tany an-toby, avy tany amin’i Saola, ary ny akanjony rovitra, ny lohany norarahan-tany, ary nony mby teo amin’i Davida izy dia nidaboka tamin’ny tany, ka niankohoka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Tamin’ny andro fahatelo dia indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin’ny miaramilan’i Saoly, rovidrovitra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; rehefa tonga teo amin’i Davida izy dia niankohoka tamin’ny tany ka nitsaoka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Tamin’ny andro fahatelo, nisy lehilahy iray tonga avy any amin’ny tobin’i Saoly. Triatriatra ny akanjony ary feno tany ny lohany. Koa rehefa mby teo amin’i Davida izy, dia niankohoka tamin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Tamin’ny andro fahatelo, nisy lehilahy iray tonga avy any amin’ny tobin’i Saoly. Triatriatra ny akanjony ary feno tany ny lohany. Koa rehefa mby teo amin’i Davida izy, dia niankohoka tamin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary tamin’ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin’ny miaramilan’i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin’i Davida izy, dia niankohoka tamin’ny tany ka nitsaoka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary tamin'ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin'ny miaramilan'i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin'i Davida izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nitsaoka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Tamin’ny andro fahatelo dia indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin’ny miaramilan’i Saoly, rovidrovitra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; rehefa tonga teo amin’i Davida izy dia niankohoka tamin’ny tany ka nitsaoka azy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 1:2
25 Rohy Ifampitohizana  

Nony tamin’ny andro fahatelo, nanopy ny masony i Abrahama ka mbola lavitra ihany izy dia nahatazana ilay fitoerana,


Niverina nankeo amin’ilay lavaka i Robena, ka indro fa tsy tao amin’ny lavaka intsony i Josefa.


Dia notriariny ny fitafiany ka nisikina lamba malailay izy, nisaona ny zanany naharitra ela be.


Dia hoy ny navaliny: «Tsara ihany ny mpanomponao rainay, ary mbola velona ihany izy.» Dia niondrika sy nihohoka izy ireo.


Hoy i Davida taminy: «Avy aiza ianao?» Ary hoy ny navaliny azy: «Nandositra avy tany an-tobin’i Israely aho».


Nohosenan’i Tamara vovoka ny lohany dia lasa nandeha izy, nidradradradra.


Tonga ravehivavy avy any Tekoa hiresaka amin’ny mpanjaka. Lavo niankohoka tamin’ny tany izy vao niteny hoe: «Vonjeo aho, ry mpanjaka ô!»


Nony tonga teo an-tampony i Davida teo amin’izay hivavahan’ny olona amin’Andriamanitra dia inty i Kosaia, ilay Arakita, tonga teo anatrehany, ka ny akanjony rovitra, ny lohany mihosim-bovoka.


Nony nijery i Areonà dia nahatazana ny mpanjaka, sy ireo mpanompony, tamy hankatỳ aminy,


Ny olona tonga tao amiko hilaza ny vaovao hoe indro fa maty i Saola, ary nihevitra fa nitondra zava-baovao tsara, nefa nasaiko nosamborina sy novonoina ho faty tany Sikelega ho valin’ny vaovao tsara nentiny,


Lazao amin’Andriamanitra hoe: «Endrey, mahatahotra ny asanao! Mikoy Anao ny fahavalonao, noho ny fahefanao tsitoha.


Hanandra-peo noho ny manjò anao sy handefa fidradradradràna mampalahelo; hanosim-bovoka ny lohany, ary hihosinkosina amin’ny lavenona.


fa Izy no namiravira, Izy no hahasitrana antsika; mikapoka Izy, nefa hamehy ny ferintsika koa.


Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.


fa tahaka ny nitoeran’i Jônasy hateloan’andro sy hateloan’alina tany an-kibon’ny hazandrano lehibe no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany koa.


Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hampijalin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangana amin’ny maty rehefa afaka hateloana.


Dia notriarin’i Jôsoe ny fitafiany ka nihohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny fiaran’i Iaveh izy sy ny loholon’i Israely, mandra-paharivan’ny andro, sady nandraraka vovoka tamin’ny lohany izy ireo.


Indro, atolotro anao ny sasany amin’ny sinagogan’i Satana, izay mihambo ho Jody, nefa tsy izy, fa mandainga; indro, hataoko tonga hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo, dia ho fantany fa tia anao Aho.


Vao lasa ilay zazalahy dia nitsangana avy eny atsimo i Davida ary nidaboka tamin’ny tany dia niankohoka intelo, vao nifanoroka izy roa lahy, ka samy rafitra nitomany tamin’ny namany avy izy ireo; ary i Davida nanao ranomaso havozona mihitsy.


Vao nahita an’i Davida i Abigaila dia nidina faingana tamin’ny ampondra, niankohoka teo anatrehan’i Davida, ary nihohoka tamin’ny tany mihitsy,


Androtr’izay ihany dia tonga tao Silao ny lehilahy anankiray amin’i Benjamina nihazakazaka avy any an-tany niadinay, rovitra ny akanjony, nihoso-bovoka ny lohany.


Hoy ralehilahy taminy: «Vao tonga avy any amin’ny tany niadiana aho, ary avy any amin’ny tany niadiana no nandosirako androany.» Hoy i Helì: «Nanao ahoana sy ahoana avy, anaka?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra