1Mpanjaka 1:2 - Baiboly Katolika2 Ary hoy ny mpanompony taminy: «Aoka hitadiavana zazavavy virjiny ny mpanjaka tompoko, hitoetra eo anatrehan’ny mpanjaka sy hitaiza azy, ary handry eo amin’ny tratranao, ka dia hafana ny mpanjaka tompoko.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20112 Dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijiny ny mpanjaka tompoko; aoka hanompo ny mpanjaka izy ka ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin’ny tratranao izy dia hampafana ny mpanjaka tompoko! Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA2 Hoy ny mpanompony taminy: –Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny izay ho eo anatrehanao mandrakariva mba ho mpitaiza anao sy handry eo anilanao, ka dia hafana ianao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara2 Hoy ny mpanompony taminy: –Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny izay ho eo anatrehanao mandrakariva mba ho mpitaiza anao sy handry eo anilanao, ka dia hafana ianao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy2 Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan’ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin’ny tratranao izy, ka dia hampahafàna ny mpanjaka tompoko. Jereo ny tokoMalagasy Bible2 Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan'ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin'ny tratranao izy, ka dia hampahafana ny mpanjaka tompoko. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache2 Dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijiny ny mpanjaka tompoko; aoka hanompo ny mpanjaka izy ka ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin’ny tratranao izy dia hampafana ny mpanjaka tompoko! Jereo ny toko |