Rehefa tsapanao lalina ao am-ponao ny fiadanan’Andriamanitra dia tsy misy toerana intsony ho an’ny fihetseham-po ratsy. Mahery ny fahatezerana ka mahavaky ny fifandraisana, mampisaraka ary manimba ny fifaliana sy ny fahasalaman’ny maro. Mampalahelo fa matetika isika no mitady fialan-tsiny rehefa tezitra fa tsy mijarona kosa handray andraikitra.
Kanefa, azo atao tsara ny miatrika ny fahatezerana araka ny voalazan’ny Baiboly, dia ny mitodika amin’Andriamanitra rehefa ao anatin’ny fitsapana, mivavaka tsy an-kijanona ary mifehy tena amin’ny alalan’ny fanolorana ny toetra ho eo an-tànany.
Araka ny voalazan’ny Soratra Masina (Jakoba 1:2-4), aoka ho fifaliana lalandava ho antsika ny fiatrehana fisedrana isan-karazany satria fantatsika fa ny fisedrana ny finoantsika dia mampitombo faharetana. Ary aoka ny faharetana hahatanteraka ny asany ao amintsika mba ho lavorary sy tsy hisy tokony ho kianina isika.
Tezera fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome toerana ho an’ny devoly.
Esory aminareo ny lolompo rehetra, ny fahavinirana, ny fahatezerana, ny fitabatabana, ny fitenenan-dratsy ary ny faharatsiana rehetra;
Esory aminareo ny lolompo rehetra, ny fahavinirana, ny fahatezerana, ny fitabatabana, ny fitenenan-dratsy ary ny faharatsiana rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.
Tsara ny olona mahatsindry fo noho ny mpiady mahery ary izay mahafehy ny fahatezerany noho izay mahafa-bohitra.
Mitsahara amin’ny fahatezerana ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy ho tezitra ianao fa ratsy no hiafaran’izany.
Fantaro izao, ry rahalahy malalako: Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra; Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa na dia rehefa iharan’ny fizahan-toetra samihafa aza ianareo, fa ny fahatezeran’ny olona dia tsy ahefana ny fahamarinana araka an’Andriamanitra.
Ny valinteny mora dia mampihemotra ny fahatezerana mafy, fa ny teny maharary dia mampiakatra ny fahasosorana.
Koa esory ao am-ponao ny alahelo ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.
Fahendrena no ao amin’izay mahatsindry fo, fa ny malaky tezitra dia mampiharihary ny hadalany.
Izay malaky tezitra dia manetsika ady, fa izay mahatsindry fo no mampitsahatra fifandirana.
Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony satria fantatrao fa mahatonga ady izany. Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa aoka ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,
Ny fahendren’ny olona dia manindry ny fahatezerany ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
Izay entim-pahatezerana dia tsy maintsy mandoa ny simba amin’izany; fa raha afahanao izy dia mbola hanampy fahasahiranana ho azy indray ianao.
Voninahitry ny olona ny manalavitra ny fifandirana, fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
Aza misakaiza amin’ny olona mora tezitra ary aza miara-dia amin’ny olona saro-po, fandrao hianatra ny fanaony ianao ka hahazo fandrika ho an’ny ainao.
Tezera fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hilaza amin’ny rahalahiny hoe: Tsy misy saina ianao, dia mendrika hohelohina eo amin’ny Sinedriona; ary na zovy na zovy no hiteny hoe: Adala Ialahy, dia mendrika ho ao amin’ny afobe.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo
Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona ianareo dia mba hamela ny anareo ny Rainareo izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona kosa ianareo dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
Koa amin’izany, na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.
Dia nanatona i Petera ka niteny Taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko ka havelako izy? Hatramin’ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo.
Ary raha mitsangana mivavaka ianareo ka misy olona anananareo alahelo dia mamelà ny helony mba havelan’ny Rainareo izay any an-danitra kosa ny helokareo.
Kanefa hoy Aho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’izay mankahala anareo; misaora izay manozona anareo; ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miezaha hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao ka miankina aminareo dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35).
Ny fitiavana dia tsy manisy ratsy ny namana; koa ny fitiavana no fanatanterahana ny lalàna.
Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ho an’ny tenany, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,
Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay dia tsy mba miady araka ny nofo, fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay fa manan-kery avy amin’Andriamanitra mba handrava manda. Mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy,
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.
ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.
Koa aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala; Fantaro izay ankasitrahan’ny Tompo, ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany. Izay ataony ao amin’ny miafina mantsy dia mahamenatra na dia ny milaza azy ihany aza. Fa ny zavatra rehetra, rehefa ampahafantarina, dia asehon’ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava. Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory ary mitsangàna amin’ny maty, dia hampahazava anao Kristy. Koa tandremo tsara izay fitondrantenanareo, mba tsy ho tahaka ny adala fa tahaka ny hendry. Araraoty ny fotoana azo anaovan-tsoa fa ratsy izao andro izao. Ary noho izany dia aza miadaladala fa fantaro izay sitrapon’ny Tompo. Aza ho mamon-divay ianareo fa misy fanaranam-po amin’ny ratsy amin’izany. Aoka ianareo ho feno ny Fanahy; mifampiresaha amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, dia mihirà sy mikaloa ao am-ponareo ho an’ny Tompo. ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo ka nanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra ho fanatitra sy ho fanavotana ary ho hanitra ankasitrahana.
tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena. satria efa saika maty izy noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy. Aza samy mihevitra ny azy ihany fa aoka samy hihevitra ny an’ny namany koa.
Fa ankehitriny kosa dia esory koa ireto rehetra ireto: Fahatezerana, firehetana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo.
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala. Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra.
Koa tiako mba hivavaka eny amin’izay rehetra misy azy eny ny lehilahy ka manandra-tanana masina, tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny fifandirana.
Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa aoka ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome fibebahana azy mba hahalalany tsara ny marina,
tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.
Fa fantatsika izay niteny hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly»; ary koa: «NY TOMPO hitsara ny olony» (Deo 32.35-36).
Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia, voalohany indrindra, madio, manaraka izany, tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy asa soa, tsy miangatra na mihatsaravelatsihy. Ary ny vokatry ny fahamarinana ao amin’ny fihavanana dia afafin’izay mikatsaka ny fihavanana.
Koa esory ny lolompo rehetra, ny fitaka rehetra, ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana ary ny fanendrikendrehana rehetra,
raha notevatevaina Izy dia tsy mba nanevateva; raha nijaly dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny raharahany ho amin’ny Mpitsara marina;
Aza mamaly ratsy ny ratsy, na fitenenan-dratsy ny fitenenan-dratsy; fa aoka hisaotra kosa satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handovanareo fitahiana.
Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara, fa «ny fitiavana no manarona fahotana maro» (Oha 10.12).
Izay milaza fa ao amin’ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ny maizina ihany.
Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ny maizina ary mandeha ao amin’ny maizina ka tsy mahalala izay alehany satria ny maizina no nahajamba ny masony.
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra satria Andriamanitra dia fitiavana.
Raha misy milaza hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra izay tsy hitany?
Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mitondra ho amin’ny fahafatesana dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana; ho an’izay nanao ota tsy ho amin’ny fahafatesana izany. Misy ota ho amin’ny fahafatesana. Tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin’izany izy.
Ny manomboka ady dia toy ny manata-drano; koa ilaozy ny fifandirana dieny tsy mbola mifandramatra.
Mamindra fo sy miantra NY TOMPO, mahari-po sady be famindrampo. Tsy mifandahatra mandrakariva Izy, na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao dia teneno mafy izy, koa raha mibebaka izy dia mamelà ny helony. Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hampisehoana ny Zanak’Olona. Amin’izany andro izany, izay eo an-tampon-trano ka ao an-trano ny entany, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin’izay efa nilaozany. Tsarovy ny vadin’i Lota. Na zovy na zovy mitady hiaro ny ainy dia hahavery azy ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahatana izany. Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany dia hisy roa lahy miray fandriana; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela. Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela, Hisy roa lahy any an-tsaha; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela. Dia nanontany Azy izy ireo hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran’ny faty dia any koa no hiangonan’ny voromahery. Ary raha manota aminao impito ao anatin’ny indray andro izy, ary mifona aminao impito kosa hoe: Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
Tsy izany ihany anefa, fa mirehareha koa isika na dia amin’ny fahoriana aza satria fantatsika fa ny fahoriana dia mahatonga faharetana; ny faharetana dia mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ny fahatsaram-panahy voazaha toetra dia mahatonga fanantenana.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra izay nampihavana antsika Taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana, dia izao: Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao Taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary napetrany aminay ny teny fampihavanana.
Ry rahalahy, raha misy olona sendra azon’ny ota dia atsanganonareo izay ara-panahy amin’ny fahamorana izy ka tandremo ny tenanao, fandrao halaim-panahy koa ianao.
Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro;
Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitondra, ary ny teny malefaka no mahatapaka taolana.
Ny fahasosoran’ny adala dia fantatra miaraka amin’izay, fa izay mahatsindry fo amin’ny fanalam-baraka no hendry.
Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra, fa ny lelan’ny marina kosa dia manasitrana.
Toho-tantely ny teny mahafinaritra ka sady mamin’ny fanahy no fanasitranana ho an’ny taolana.
Fa ny fihevitro dia tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa dia tsy mba lalako, hoy NY TOMPO. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.
Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo, fa izay araka ny Fanahy kosa dia mihevitra izay zavatry ny Fanahy. Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa fiainana sy fiadanana kosa no fihevitry ny Fanahy,
mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
Fa tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra isika fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fahefana ary amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.
Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany, amin’ny fahalemem-panahy sy fahendrena. Fa raha misy fialonana mirehitra sy fiheveran-tena ho zavatra ao am-ponareo dia aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina.
Ary raha manota ny rahalahinao dia mandehana anaro izy rehefa mitokana ianareo roa lahy. Raha mihaino anao izy dia efa azonao ny rahalahinao;
Aoka ho mpamindra fo ianareo tahaka ny Rainareo izay Mpamindra fo. Aza mitsara dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka dia tsy hohelohina ianareo; mamelà dia mba havela ianareo;
Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy,
fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy;
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.
Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.
aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany, satria mahatoky ilay nanao ny teny fikasana; ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara.
Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; indro ny Mpitsara dia efa mitsangana eo anoloan’ny varavarana.
Ary aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana sy hikatsaka azy.
Toy izany koa ianareo tanora, maneke ny loholona. Eny, samia mitafy fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa «Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena» (Oha 3.34). Koa amin’izany, manetre tena ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro;
Tsy misy tahotra ao amin’ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka dia mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana.
Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; tsy hisy fahafatesana intsony sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po, mifandefitra amin’ny fitiavana,