Eo anatrehan'ny aretina mahazo anao, Andriamanitra dia eo anilanao. Tsy eto amin'ity fotoan-tsarotra ity ihany, fa hatrany am-bohoka aza Izy efa niaro sy nikarakara anao. Tadidio fa ao amin'Andriamanitra dia manana Ray ianao, sakaiza mahatoky, mpanafaka alahelo, fiadananao ao anivon'ny rivo-doza, ary dokotera mahay indrindra.
Tsy fantatro izay aretinao, na izay faritra maharary anao, fa zavatra iray loha no fantatro: amin'ny alalan'ny ran'i Jesosy dia afaka sitrana ianao, ary tiany ho sitrana koa ianao. Tiany ianao ka tsy tiany hijaly amin'ny aretina. Koa ny fanatonana Azy no fialofana tsara indrindra ho anao, satria Izy no mahalala izay ilainao. Na aiza na aiza misy ny fahalemenao, raha mino fotsiny ianao ka mangataka Aminy amim-pinoana, dia haneho ny voninahiny Izy.
Noho ny soron'i Jesosy Kristy no nahafahantsika afaka amin'ny aretina. Na efa nomena diagnostika avy amin'ny dokotera aza ianao, mahereza, satria Andriamanitra no manana ny teny farany amin'ny fiainanao. Ny tenin'ilay Andriamanitra "Izaho no Izy" no mamelona sy mampijoro anao. Koa minoa indray, miandrasa amim-panantenana sy amim-paharetana an'Andriamanitra. Afaka manao fahagagana Izy ary mamaly ny fitarainanao. Koa ambarao amin'ny anaran'i Jesosy fa sitrana ianao ary mifikira amin'ny teniny. "Nitondra ny aretintsika Izy ary niaritra ny fahoriantsika, nefa isika nanao Azy ho voa, voateliko'Andriamanitra sy nampietrena" (Isaia 53:4).
Indro asiako bandy ny feriny, sy tsaboiko izy, mba ho sitrana; ary hanehoako ny fiadanana sy fandriam-pahalemana be dia be izy ireo.
Fa Izy no mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra. Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, manarona hatsaram-po amam-pamindram-po anao.
Mankalaza Anao aho, ry Iaveh, fa efa nanandratra ahy Ianao, tsy nataonao ho fifalian’ny fahavaloko aho.
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Ry Iaveh ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy; fa Ianao no fiderako!
Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany; ary isika anefa nijery Azy ho olom-boasazy, nokapohin’Andriamanitra sy naetry. Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
Nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy; ka novonjeny ho afaka amin’ny fahaporetany. Izany anie no holazain’ireo navotan’i Iaveh, dia ireo navotany ho afaka tamin’ny tanan’ny fahavalony, Nandefa ny teniny Izy dia nanasitrana azy, sy nanafaka azy hiala amin’ny fasany. Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony, sy noho ny fahagagana nataony, ho an’ny zanak’olombelona!
Manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hitso-drano ny mofonao aman-dranonao Aho ary hampanalaviriko anao ny aretina.
Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Fa efa hamehy anao aho, efa hositraniko amin’ny ferinao ianao, -teny marin’i Iaveh.- Fa ny anaranao dia atao hoe: Ikala noroahina, Siôna tsy manam-piahy!
fa izao no navaliny ahy: «Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko.» Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Hampanalavirin’i Iaveh anao ny aretina rehetra, ary tsy hisy halefany aminao akory ny areti-mandoza nanjò an’i Ejipta izay fantatrao; fa izay rehetra mankahala anao no hampahoriny amin’ireny.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.
Harovan’i Iaveh sy hovelominy izy; dia ho sambatra ambonin’ny tany, ary tsy mba hatolotrao amin’ny sitrapon’ny fahavalony.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.
Ry malala, iriko ho toraka ny an’ny fanahinao koa ny fanambinana ny raharahanao rehetra amam-pahasalamanao.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy. Aza manao anao ho hendry eo imasonao, fa matahora an’i Iaveh ary mialà amin’ny ratsy. Fahasalamana ho an’ny vatanao izany, ary famelombelomana ho an’ny taolanao,
Hitako ny lalany ary hanasitrana azy Aho; hitari-dalana azy, ary hamerina aminy ny fampiononako, ho azy sy ho an’ireo malahelo eo aminy. Izay manisy fiderana eo am-bava dia milaza manao hoe: «Fiadanana, fiadanana, ho an’ny lavitra sy ny akaiky, hoy i Iaveh, ary hanasitrana azy Aho!...»
Nandefa ny teniny Izy dia nanasitrana azy, sy nanafaka azy hiala amin’ny fasany. Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony, sy noho ny fahagagana nataony, ho an’ny zanak’olombelona!
Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy; ary aoka ireo no hivavaka ho azy ka hanosotra diloilo azy amin’ny Anaran’ny Tompo. Ary ny vavaka atao am-pinoana hamonjy ny marary; dia hanamaivana ny rofiny ny Tompo, ary hamela izay heloka vitany. Koa mifampieke fahotana ianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.
I Iaveh mampihiratra ny jamba; i Iaveh mampitraka ny mitanondrika; i Iaveh tia ny marina;
Ary indro nisy vehivavy nitsi-dra nandritra ny roa ambin’ny folo taona, nanatona Azy avy eo ivohony, ka nanendry ny morontongotr’akanjony; fa hoy izy anakampony: «Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko, dia ho sitrana aho.»
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.
Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy; ary aoka ireo no hivavaka ho azy ka hanosotra diloilo azy amin’ny Anaran’ny Tompo. Ary ny vavaka atao am-pinoana hamonjy ny marary; dia hanamaivana ny rofiny ny Tompo, ary hamela izay heloka vitany.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Tamin’izay indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro niferin’aina tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra jamba maro koa,
Ary hoy Izy taminy: «Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin’ny aretinao.»
Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra, Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa rehetra avy aminy. Misaora an’i Iaveh ianareo Anjeliny, izay mahefa sy mahery sy mankatò ny didiny, amin’ny fanekena ny feon’ny teniny. Misaora an’i Iaveh ianareo rehetra tafiny, izay mpanompony sy manatanteraka ny sitrapony! Misaora an’i Iaveh ianareo asany rehetra, amin’ny fitoerana rehetra fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko. Fa Izy no mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra. Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, manarona hatsaram-po amam-pamindram-po anao.
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Anaka, tandremo ny teniko, mampandria sofina amin’ny lahateniko. Aza avela hanalavitra ny masonao izy, fa tahirizo ao anatin’ny fonao. Satria aina ho an’izay mahazo azy izany, ary fahasalamana ho an’ny vatany manontolo.
mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy, maro izy ireo miandranandrana miady amiko. Rehefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory; ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?
Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.
Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagogany sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.