Indro teto an-tany Izy, i Jesoa malalantsika, dia nampianatra sy nanasitrana. Nampiasa tsara ny fotoanany Izy, ilay Mpamonjy antsika, hanambara ny famonjena sy izay ho avy.
Modely ho antsika tokoa Izy, i Jesoa Kristy, amin'ny fahamasinana sy ny fitandremana fatratra ny finoana ary ny fifandraisana amin'ny Ray.
Ary rehefa afaka telo andro, dia tao amin'ny tempoly no nahitana Azy, nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra, sady nihaino azy Izy no nanontany azy. Gaga izay rehetra nandre Azy noho ny fahendreny sy ny navaliny. Lioka 2:46-47
Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin’ny Tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy, ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahendreny sy ny famaliny.
Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany.
Ary rehefa afaka ny havaloan’andro ka hoforàna ny Zaza, dia natao hoe Jesoa no Anarany, araka ilay nataon’ny Anjely fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo izy.
ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.»
Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny tratrany, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay.
Rehefa nitsangan-ko velona i Jesoa ny marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia i Maria Madelenina, ilay namoahany demony fito, no nisehoany voalohany.
Tamin’izay ny antoko-miaramila sy ny tomponarivo ary ny mpiandry raharaha nirahin’ny Jody, dia nisambotra an’i Jesoa, ka namatotra Azy.
Dia noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra Izy, ka nitso-drano. Raha efa izany, novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan’ny olona, ary nozarainy tamin’izy rehetra koa ny hazandrano roa. Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary ny sombintsombin’ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany nahafeno sobiky roa ambin’ny folo ka nentiny nody. Dimy arivo lahy anefa no isan’ny nihinana tao.
ary niteraka ny Zanany lahy matoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranom-bahiny.
Ary rehefa niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
Ary tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo.
Koa nalainy ny fatin’i Jesoa, dia nasiany zava-manitra sy nofonosiny lamba araka ny fanaon’ny Jody amin’ny fandevenana.
Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany; ary isika anefa nijery Azy ho olom-boasazy, nokapohin’Andriamanitra sy naetry.
Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatỳ amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.
Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.
Dia nanatona namoha Azy izy ireo ka nanao hoe: «Ry Mpampianatra! Ry Mpampianatra! maty izahay!» Dia nitsangana Izy, nandidy ny rivotra sy ny onjan-drano, ka nitsahatra ireo ary nitony tsara ny andro.
Ary i Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona.
Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
Nony vita batemy i Jesoa, dia niala avy teo anaty rano niaraka tamin’izay. ary indro nisokatra taminy ny lanitra, ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny. Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: «Inty ny Zanako malalako izay ankasitrahiko indrindra.»
Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy, tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahy tokana ho amin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
Ary tamin’izay dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra i Jesoa, mba halain’ny devoly fanahy; Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.» Tamin’izay dia nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy Anjely tonga teo aminy ka nanompo Azy. Ary nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany, dia lasa izy nankany Galilea; ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaoma, tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisin-tanin’i Zabolôna sy i Neftalì ka nonina tao, mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia mpaminany hoe: «Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalì, ny lalana ao amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily: ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.» Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa ka nanao hoe: «Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.» Ary raha nitsangantsangana teny amoron-dranomasin’i Galilea i Jesoa, nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy i Andre rahalahiny, nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Dia hoy izy taminy: «Avia hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.» ary nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, ka noana nony afaka izany.
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.
Ary nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny Amiko; mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.» Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin’ny olona. Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra. Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna, na ny Mpaminany; tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra. Koa amin’izany, izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra. ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe:
mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagogany sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona,
Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
«Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.»
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Ary niteny tamin’ny olona indray i Jesoa, ka nanao hoe: «Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.»
Nony afaka hateloana dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny Renin’i Jesoa. ka nanao taminy hoe: «Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rehefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny.» Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany.
Ary rehefa niverina ny Apôstôly ka nilaza tamin’i Jesoa ny nataony rehetra, dia nentiny hitokana tany amin’ny tany mangingina akaikin’i Betsaida izy ireo.
Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
Mbola teo am-pihinanana, dia nandray mofo i Jesoa, notsofiny rano sy novakiny, ary nomeny ny mpianany ka hoy Izy: «Raiso ary hano; Vatako ity.» Raha efa izany, dia nandray ny kalisy Izy, ary rehefa nanao fisaorana dia nomeny azy ireo nataony hoe: «Isotroinareo rehetra ity; fa Rako, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.
fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha, dia i Kristy.
Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Ary niantso tamin’ny feo mahery indray i Jesoa, dia niala aina. Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba teo amin’ny Tempoly; nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy,
Dia hoy i Jesoa: «Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.» Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany.
Vao nanandrana ny vinaingitra Izy dia nanao hoe: «Tanteraka ny zavatra rehetra.» Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina.
Dia niteny tamin’ireo vehivavy ny Anjely nanao hoe: «Aza matahotra ianareo; fantatro fa mitady an’i Jesoa izay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo. Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia ka jereo, fa teo no toerana nametrahana ny Tompo.
Tsy eto Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny nolazainy taminareo fony Izy mbola tany Galilea, hoe: ‹Tsy maintsy atolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona sy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ary hitsangana amin’ny andro fahatelo.› »
Taorian’ny nijaliany, dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa Izy, sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy, ary nilazalaza ny momba ny fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.
ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan’ny maty, araka ny fanahin’ny fahamasinana, dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
Manàna izao saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa izao: na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana.
tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fifehezana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra. Izy no talohan’ny zavatra rehetra, ary ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.
Fa novalian’i Jesoa hoe: «Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka.»
Hoy i Jesoa taminy: «Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray; ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?»
Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe: «Mangina, mitonia.» Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro.
ary ny vahoaka izay nialoha sy izay nanaraka Azy, samy niantso nanao hoe: «Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida. Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Hôzàna any amin’ny avo indrindra.»
Tamin’ny andro lehibe famaranana ny fety, dia nitsangana i Jesoa ka niantso hoe: «Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Fa hisy onin-drano velona hiboiboika avy ao anatin’izay mino Ahy, araka ny volazan’ny Soratra Masina.»
Fa raha mbola niteny Izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tamin’io rahona io nanao hoe: «Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy Izy.»
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany etỳ an-tany. Dia nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa nanao hoe: «Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy?» ka novaliany hoe: «Hatry ny fony izy mbola kely; ary matetika izy no nazeran’ny demony tamin’ny afo sy tany anaty rano mba hahafaty azy; ka raha mba misy hainao re, mamindrà fo aminay, ary vonjeo izahay!» Dia hoy i Jesoa taminy: «Raha hainao ny mino, tsy misy tsy azo atao ho an’izay mino.» Niaraka tamin’izay, dia sady niantso mafy ny rain-drazazalahy no nanao an-dranomaso hoe: «Mino aho, Tompoko, fa vonjeo re ity tsy finoako.» Ary nony nahita ny vahoaka nidodododo nanatona Azy i Jesoa, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy nanao hoe: «Ry fanahy marenina sy moana, Izaho mandidy anao, mivoaha amin’io zaza io, ka aza miditra ao aminy intsony.» Dia sady ninananàna ny demony no nampifanintontsintona azy mafy vao niala taminy, ka efa toy ny maty ilay zazalahy, ary efa nataon’ny maro hoe maty aza. Fa noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany izy, dia nareniny, ka nitsangana. Nony tonga tany an-trano Izy, dia nanontanian’ny mpianany mangingina hoe: «Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?» Ka hoy Izy taminy: «Tsy azo roahina afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina izany karazan-demony izany.» Nony niala teo izy ireo, dia namaky an’i Galilea, ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany, Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa.
Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
Ry lehilahy Israelita, henoy izao teny izao: i Jesoa avy any Nazareta, Lehilahy nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana nampanaoviny Azy teo aminareo, araka ny fantatry ny tenanareo, dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy; fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana, satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy,
ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.
Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky. Fa Izy no fihavanantsika, Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray, Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana; tao amin’ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin’ny Tenany; fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin’Andriamanitra, noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana.
Ary izany fanambaràna izany dia izao: nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana; fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa, dia tsy manana ny fiainana.