Rehefa mieritreritra ny tenin'Andriamanitra ianao dia mahita ilay fiadanana ilainao. Eo anivon'ireo ady andavanandro mitranga ao an-tsainao, ny fomba tsara indrindra handresena azy ireo sy hivoaka ho mpandresy dia ny mifantoka amin'ny Soratra Masina.
Manoro hevitra anao aho mba hifikitra amin'ny Baiboly ary hataonao ho isan'ny boky tianao indrindra izy ity. Ao amin'ny Baiboly no ahitanao fitarihana, fahendrena, fahalalana, fahafahana, famerenana amin'ny laoniny, ary zavatra maro hafa.
Androany no andro handinihanao indray izay mameno ny sainao, hanariana izay tsy mahasoa anao, ary hamelana an'Andriamanitra hameno ny maha-ianao anao rehefa misaintsaina ny teniny ianao. (Jao. 8:32)
Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana; fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa, dia tsy manana ny fiainana.
«Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tao am-bohoka ianao, ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao, dia efa nohamariniko; notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.»
Tiava an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra.
na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Homeko fo vaovao ianareo, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; hoesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe: «Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin’Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.»
Sitrako ny misaintsaina ny didinao, sy ny mahira-maso amin’ny lalanao. Efa mby akaiky ireo mpanaraka ny ratsy, izay nihataka tamin’ny lalànao. Akaiky Ianao, ry Iaveh, ary fahamarinana avokoa ny didinao. Efa fantatro ela ny amin’ny fampianaranao, fa naorina ho mandrakizay izy. Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; fa tsy manadino ny lalànao aho. Arovy aho amin’ny adiko, ary valio ny ratsy natao tamiko; velomy indray aho araka ny teninao. Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, satria tsy asiany raharaha ny lalànao. Betsaka ny famindram-ponao, ry Iaveh, velomy indray aho araka ny fandaharanao. Maro ny mpanenjika ama-mpandrafy ahy; tsy mba mihataka amin’ny fampianaranao aho. Tsiravina aho, mahita ny mpivadika, satria tsy mba mitandrina ny teninao ireny. Dinihonao fa tiako ny didinao; Iaveh ô, velomy indray aho araka ny hatsaram-ponao. Ataoko fifaliana ho ahy ny lalànao; tsy hohadinoiko mandrakizay ny teninao.
fa ny lalàn’i Iaveh no ifaliany, sady saintsaininy andro aman’alina. Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny ranovelona izy, ka ny voany tonga amin’ny fotoany; ny raviny tsy mba malazo; ny ataony rehetra vanona avokoa.
Aoka tsy ho afaka am-bavanao ny bokin’ity lalàna ity, fa hosaintsaininao andro aman’alina sady hotandremanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra ao, fa amin’izany dia hiadana amin’ny lalanao rehetra sy hahomby tsara ianao.
Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.
Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.
Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra,
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.
Anaka, tandremo ny teniko, mampandria sofina amin’ny lahateniko. Aza avela hanalavitra ny masonao izy, fa tahirizo ao anatin’ny fonao. Satria aina ho an’izay mahazo azy izany, ary fahasalamana ho an’ny vatany manontolo.
Toy ny voky tsoka sy ny matavy no ahavokisan’ny fanahiko, ka midera Anao ny vavako, amin’ny molotro falifaly.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Ho an’ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon’i Davida. Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina. Aza matoky ny fanovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo. Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An’Andriamanitra ny fahefana. Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo, fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, Ianao. Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana, Izy no iavian’ny famonjena ahy.
ampandreneso faingana ny hatsaram-ponao aho, fa Ianao no itokiako; atoroy ny lalana tokony halehako aho, fa any aminao no hanondrotako ny fanahiko.
Mitoera amim-panginana, eo anatrehan’i Iaveh ary manantenà Azy; aza tezitra noho ny amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia ny olona mahomby amin’ny tetikadiny.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Ravanay ny fisainan’olombelona mbamin’ny zavatra avo rehetra, izay mitsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra; ary baboinay hanaiky an’i Kristy ny hevitra rehetra.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. - Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Fa i Iaveh no manome ny fahendrena; avy amin’ny Vavany no ivoahan’ny fahaizana amam-pahamalinana.
Ampianaro ny lalànao aho, ry Iaveh; fa te-handeha amin’ny fahitsianao! Araiketo amin’ny fahatahorana Anao ny foko.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Mifalia mandrakariva; mivavaha lalandava; ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Nataon’i Davida. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika, ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika. Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak’i Iaveh an’izay matahotra Azy. Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika. Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny, ka vao tsofin’ny rivotra izy dia tsy eo intsony, ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony. Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny, sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy. Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa rehetra avy aminy. Misaora an’i Iaveh ianareo Anjeliny, izay mahefa sy mahery sy mankatò ny didiny, amin’ny fanekena ny feon’ny teniny. Misaora an’i Iaveh ianareo rehetra tafiny, izay mpanompony sy manatanteraka ny sitrapony! Misaora an’i Iaveh ianareo asany rehetra, amin’ny fitoerana rehetra fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko. Fa Izy no mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra. Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, manarona hatsaram-po amam-pamindram-po anao. Izy no manototra soa ny fanirianao, ary manavao ny fahatanoranao hanana ny herin’ny voromahery.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Ry Iaveh ô, hiantoka fiadanana ho anay Ianao, fa ny asanay rehetra dia Ianao no nanatanteraka azy ho anay.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.
Fa izao no nolazain’i Iaveh Tompo, ilay Masin’i Israely: «Ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana no hahavoavonjy anareo; ao amin’ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.»
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
I Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona? I Iaveh no miandany amiko, eo amin’izay mamonjy ahy, dia hahita ny faharavan’ireo mankahala ahy aho.
Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin’ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino fahasoavana.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Tsy mba misy tahotra ny fitiavana, fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria milaza sazy ny tahotra; koa mbola tsy lavorary ny fitiavan’izay matahotra.
Amin’ny vavan’ny ankizy sy ny mbola minono no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao, sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva. Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao, mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:
Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, dony dia hovohana; fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.
aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.
Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Ny lalàna naloaky ny vavanao no tsara ho ahy; mihoatra noho ny volamena sy volafotsy miavosa.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana.
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra: fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza, saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna... Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy, na dia tamin’izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon’i Adama aza; ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy. Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan’ny olona rehetra ankabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana. Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana; satria noho ny ota anankiray no nisian’ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian’ny fahasoavana ho fanamarinana. Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io, mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy, no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny olona iray. izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.
maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon’ny olona, fa ny hevitr’i Iaveh ihany no tanteraka.
Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Endrey, tsara sady mamy, ho an’ny mpirahalahy ny miara-monina!
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao,
Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho, dia hifaly ny taolako izay efa novakivakinao.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny devoly akory ianareo.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny. Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay; fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.
Fihirana fiakarana. Nataon’i Salômôna. Raha tsy i Iaveh no manorina ny trano, miasa foana izay manorina azy. Raha tsy i Iaveh no miambina ny tanàna, miari-tory foana eo am-bavahadiny ny mpiambina.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
Manahaka ny andon’i Hermôna izany, izay milatsaka eo amin’ny tampon’i Siôna; fa ao no nanorenan’i Iaveh ny fitahiana, ny fiainana ho mandrakizay.
Ampianaro ny zaza ny lalana tokony halehany, dia tsy hiala amin’izany izy, na rehefa antitra aza.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra.