Tian’Andriamanitra ho naman’ny tsirairay avy isika, fifandraisana misy fitokisana sy fitiavana no iriny, ary koa andraikitra sy fanoloran-tena bebe kokoa Aminy, tahaka ny fifandraisan’ny mpinamana ihany. Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo fa namana, hoy Jesosy, satria izay rehetra fantatro tamin’ny Ray dia efa nambarako taminareo (Jaona 15:15).
Raha te-hinamana marina Aminy tokoa isika dia mila manokana fotoana hiarahana Aminy. Ao no misy ny tsiambaratelon’ny fisakaizana Amin’ny Tompo: ny fiarahana Aminy dia mahafaly Azy ka mahatonga antsika tsy hanao izay zavatra tsy mampifaly Azy. Izay tiana tsy mba asiana ratsy.
Rehefa manapa-kevitra ny hinamana amin’Andriamanitra isika dia miala amin’izay rehetra mampanalavitra antsika Aminy ary miezaka manana fo mampifaly Azy. Miezaka ny hampifaly Azy isika ary miala tanteraka amin’ny fisakaizana amin’izao tontolo izao sy ny fahafinaretany, satria izay minamana amin’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra.
Koa androany dia amporisihiko ianao hikolokolo ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra, hataonao izay hahatonga ny fisakaizanao Aminy ho sarobidy indrindra, ary hianatra isan’andro amin’ny toetrany, mba ho vonona hatrany ianao hanaraka ny sitrapony, dia Izy koa afaka hilaza aminao ny tsiambaratelony lehibe izay tsy ambarany afa-tsy amin’izay tena akaiky ny fony.
Aza diso fanantenana amin’Andriamanitra, aza mandainga Aminy. Izy no ilay namana mahatoky tokana ho azonao, izay tsy handao anao na oviana na oviana, hanaiky anao amin’ny fahadisoanao ary hanampy anao mandrakariva.
Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.
Ary i Iaveh miresaka mifanatrika amin’i Môizy, mova tsy ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Raha efa izany dia miverina mankany an-toby i Môizy fa i Jôsoe zanak’i Nona, ilay tovolahy mpanompony, tsy niala tao afovoan’ny trano lay.
Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Fa ianao kosa, ry Israely, mpanompoko, ianao, ry Jakôba nofidiko, taranak’i Abrahama, sakaizako.
Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin’izao tontolo izao. Fa izay tia an’izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavana ny Ray ao anatiny.
Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe: Ary i Abrahama nino an’Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra izy.
Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.
Izay tia ny fahadiovam-po sy mahafinaritra ny tenin’ny molony, dia ho sakaizan’ny mpanjaka.
Tsy Ianao va, ry Andriamanitra ô, no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity teo anoloan’i Israely vahoakanao, sy nanome azy ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao mandrakizay?
Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.
Koa mihavàna amin’Andriamanitra, dia mionòna ianao, fa izany no hiverenan’ny fiadanana aminao. Raiso avy amin’ny vavany ny fampianarana ary alatsaho ao am-ponao ny teniny. Ho tafarina ianao, raha miverina amin’ny Tsitoha, sy manesotra ny heloka lavitra ny lainao. Ario eny amin’ny vovoka ny anja-bolamena, ary eny amin’ny korontam-bato eny an-dohasahan-driaka, ny volamenan’i Ofira. Fa ny Tsitoha no ho volamenanao, sy ho volafotsy miavosa ho anao.
Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko,
Ny fifankazarana amin’i Iaveh dia anjaran’ny matahotra Azy. Hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany.
Fa na zovy na zovy hanao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.»
Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.
Salamon’i Davida. Fony izy tany an’efitr’i Jodà . Fa izy ireo mitady hanala ny aiko kosa dia hidina ambanin’ny tany. Hatolotra ho an’ny sabatra, ho rembin’ny amboahaolo. Dia hifaly amin’Andriamanitra ny mpanjaka; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy, satria hakombona ny vavan’ny mpandainga. Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao, mitady Anao aho hatramin’ny vao maraina; mangetaheta Anao ny fanahiko, manina Anao ny nofoko, ao amin’ny tany maina mangentana tsy misy rano. Toy izany no nibanjinako Anao tao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny Herinao amam-boninahitrao.
Raha izaho, dia ny miray amin’Andriamanitra no fahasambarako; I Iaveh Tompo no anton’ny fitokiako; mba hitoriako ny asanao rehetra.
Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
satria halan’i Iaveh ny olon-dratsy fanahy fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra.
Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Ny sakaiza dia ny tia amin’ny fotoana rehetra; amin’ny fahoriana, mitsangan-ko rahalahy izy.
Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa.
Ny olona maro sakaiza, hahazo loza amin’ireny; fa mba misy izay sakaiza mifikitra noho ny rahalahy.
Ianareo koa fahiny, dia lavitra Azy sy fahavalony, tamin’ny hevitra aman’asa ratsinareo, fa ankehitriny kosa dia nampihavaniny amin’ny Tenany nofo tamin’ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany,
Ary hoy i Iaveh: «Hafeniko amin’i Abrahama va izay efa hataoko? I Abrahama anefa no ho tonga firenena lehibe sy mahery, sady aminy no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn’i Iaveh, amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan’i Iaveh amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy».
Fa izao no aoka hireharehan’ny mirehareha: Ny ananany saina sy ahalalany Ahy. Fa Izaho no Iaveh izay manao ny famindram-po, sy ny hitsiny ary ny rariny etỳ ambonin’ny tany, fa izany no ankasitrahiko - teny marin’i Iaveh. - Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - izay hamaizako ny voafora rehetra, miaraka amin’ny tsy voafora,
Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara, sy izay ilain’i Iaveh aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.
Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho.»
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa: satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy, sady mamaly soa izay mitady Azy.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:
Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo. Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, dony dia hovohana; fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.
Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
Eny, mahatoky Andriamanitra Izay niantso anareo hiray amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.
Ary tsy iza no niavian’izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra, izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana; satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay.
Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky.
izay ananantsika fahasahiana hanatona an’Andriamanitra amam-pahatokiana noho ny finoana Azy.
ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny etỳ an-tany na ny any an-danitra. Ianareo koa fahiny, dia lavitra Azy sy fahavalony, tamin’ny hevitra aman’asa ratsinareo, fa ankehitriny kosa dia nampihavaniny amin’ny Tenany nofo tamin’ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany,
dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.
Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina.
eny, izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo kosa, mba hanananareo fikambanana aminay koa; ary ny fikambananay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany.
Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.