Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 20:7 - Baiboly Katolika

7 Tsy Ianao va, ry Andriamanitra ô, no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity teo anoloan’i Israely vahoakanao, sy nanome azy ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao mandrakizay?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ry Andriamanitray ô, tsy Ianao va no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity hiala teo anoloan’ny Israely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Ry Andriamanitray ô, Ianao no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity hiala teo anoloan’i Israely vahoakanao ka nanome mandrakizay an’izany ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ry Andriamanitray ô, Ianao no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity hiala teo anoloan’i Israely vahoakanao ka nanome mandrakizay an’izany ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity hiala teo anoloan’ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin'ity tany ity hiala teo anoloan'ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an'ny taranak'i Abrahama sakaizanao?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ry Andriamanitray ô, tsy Ianao va no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity hiala teo anoloan’ny Israely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao?

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 20:7
23 Rohy Ifampitohizana  

Ny Kananeanina tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany. Niseho tamin’i Abrama i Iaveh ka nanao hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Ary teo i Abrama nanorina ôtely ho an’i Iaveh izay niseho taminy.


fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay izao tany rehetra tazanao izao.


Manao fanekena aminao Aho, aminao sy amin’ny taranakao, hanaraka anao amin’ny taona mifandimby, dia ho fanekena maharitra mandrakizay, mba ho Andriamanitrao Aho, sy ho Andriamanitry ny taranakao handimby anao.


Dia nasian’i Iaveh teo anoloan’i Asà sy i Jodà, ny Etiôpianina.


Dia nonina teto izy ireo sy nanangana fitoerana masina ho Anao, ho an’ny Anaranao, nanao hoe:


Nahita ny fony ho mahatoky eo anatrehanao ianao, ka nanao fanekena taminy, fa hanome ho an’ny taranany, ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Jeboseanina, ary ny Gergeseanina, ary notanterahinao ny teninao, fa marina Ianao.


Andriamanitra ô, ny sofinay mandre, ny razanay nitantara taminay, ny asa nataonao tamin’ny androny, tamin’ny andro fahataloha.


Nandroaka firenena Ianao tamin’ny tananao, hamponenana azy; nikapoka vahoaka Ianao hanitarana azy.


Ry Andriamanitry ny tafika ô ampodio amin’ny toetranay taloha izahay, ampamirapirato ny Tavanao, dia ho voavonjy izahay.


«Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.


Haniraka Anjely eo alohanao Aho, ary handroaka ny Kananeanina, ny Amôreana, ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.


Halaiko ho vahoakako ianareo, ka ho Andriamanitrareo Aho, izay manafaka anareo amin’ny fanompoan’ny Ejiptianina.


Fa ianao kosa, ry Israely, mpanompoko, ianao, ry Jakôba nofidiko, taranak’i Abrahama, sakaizako.


Nony voalazany izany dia nampiany hoe: «Matory i Lazara sakaizantsika, fa ndeha hamoha azy Aho.»


Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.


handroahany firenena maro sady matanjaka noho ianao teo anoloanao, mba hampidirany anao amin’ny taniny, sy hanomezany izany ho lovanao, araka izao ankehitriny izao.


Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe: Ary i Abrahama nino an’Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra izy.


«Matanjaha ary mahereza fo, fa ianao no hampanana ity firenena ity ny tany efa nianianako tamin’ny razany homena azy.


Firenena lehibe sy mahery no noroahin’i Iaveh teo anoloanareo, ka tsy nisy olona nahatoha anareo mandraka androany.


Nomeko tany tsy nasainareo ianareo sy tanàna tsy naorinareo, ary monina ao, tanimboaloboka aman’ôliva izay tsy nambolenareo, ka mihinana ny vokany ianareo.


Nalaiko tany an-dafin’ny ony i Abrahama razanareo ary nentiko ho amin’ny tany Kanaana rehetra; nampitomboiko taranaka, ary nomeko an’i Isaaka izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra