Derao Jehovah, ry firenena rehetra! Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra! Faly aho mizara aminao ity hafatra ity, mampahery antsika hidera an’Andriamanitra.
Mahagaga ny fahamarinan’Andriamanitra! Izy no miaro sy miady ho antsika rehetra. Raha miankohoka eo anatrehany isika ka mivavaka Aminy, dia hamela ny helotsika Izy ary hanasitrana antsika. Tsy misy tokony hivavahana afa-tsy Izy irery ihany.
Rehefa miankohoka eo an-tongotr’i Kristy isika, dia misokatra ny lanitra, ary miharihary ny voninahitr’Andriamanitra. Mitondra fiovana lehibe izany, ary eo no ahitantsika an’i Jesosy miasa, manova fo sy mitondra fibebahana marina eo amin’ny fiainantsika.
Amin’izao andro sarotra izao, mila miaiky isika rehetra, na firenena inona na firenena inona, fa i Kristy no Tompo. Ho an’izay firenena manaiky an’Andriamanitra ho ambony indrindra, dia ho hitany fa i Jehovah no miady ho azy ireo. Hitondra soa ny taniny Izy, ary hiaina am-piadanana sy am-pilaminana ny mponina rehetra ao, satria efa nanao an’Andriamanitra ho Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo izy ireo.
Hiady ho antsika Izy, ka tsy hatahotra ny ho avy isika fa hatoky Azy amin’ny fo manontolo. Andao isika hanorina alitara fiderana, hanandratra ny feontsika eny an-kalamanjana, ary hiantso ny vahoakan’i Kristy mba hitory ny Teniny, mandra-piderana ny anarany eran-tany, satria mendrika hoderaina mandrakizay Izy.
Lehibe ao Siôna i Iaveh, tafasandratra ambonin’ny firenena Izy. Hoderaina anie ny Anaranao, sady lehibe no mahatahotra. - Masina Izy.
Mihobia an-kafaliana, ry lanitra; miontàna, ry tany! Velomy ny hobin-kafaliana, ry tendrombohitra! Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy nangoraka ireo izay nampahorîna!»
Aoka ho tonga avy any Ejipta ny tremalahy, aoka hidodododo hanandra-tanana amin’Andriamanitra i Etiôpia.
Tamin’izany ny vavantsika nanao hobin-kafaliana, ny lelantsika nanao hira firavoravoana. Fahizay izao no ambentinteny amin’ny firenena: «Nanao zava-dehibe ho azy ireo i Iaveh.»
Nataon’i Davida, tamin’izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.
Ary ny anaran’ity tanàna ity ho Ahy dia ho anaram-pifaliana sy fiderana amam-boninahitra, any amin’ny firenen-drehetra ambonin’ny tany, izay handre ny soa rehetra hataoko aminy; ho raiki-tahotra sy hangovitra ireny, mahita ny fiadanana amam-panambinana rehetra homeko azy ireo.
Ry firenena, aoka hanao horakora-pifaliana ianareo, ho voninahitry ny vahoakany. Fa valian’i Iaveh ny ran’ny mpanompony asiany valim-bonoana izay mandrafy Azy. Dia manao fanonerana ho an’ny taniny, ho an’ny vahoakany Izy.
Hihinana ny tra-pahoriana ka ho voky; hidera an’i Iaveh izay mitady Azy. Ho velona indray mandrakizay anie ny fonareo!
«Miderà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany, ampahafantaro ny firenena ny zava-dehibe nataony.
Mankalazà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany; ampahafantaro eny amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.
mbamin’ny hoe: Miderà ny Tompo ianareo firenena rehetra; ary mankalazà Azy, ry vahoaka rehetra.
Ho avy ny firenena rehetra nataonao, hiankohoka eo anatrehanao, Tompo, ka hanome voninahitra ny Anaranao.
Izao no ho tonga any amin’ny andro farany; ny tendrombohitry ny tranon’i Iaveh, hatao eo an-tampon’ny tendrombohitra; sy hasandratra ho eo ambonin’ny havoana. Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy, Amin’izany andro izany, dia harian’ny olona ny sampiny volafotsy sy volamena, izay nataony hivavahany, ho an’ny voalavo sy ny ramanavy; izy kosa handositra ho any an-dava-bato, sy any an-tsefatsefaky ny haram-bato, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh, sy ny famirapiratry ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy. Koa atsaharo ny fitoky amin’olombelona, izay tsy misy afa-tsy fofon’aina kely foana eo am-bavorony; ka hatao inona izy? ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe: «Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; hampianatra antsika ny lalàny Izy, ary hizotra amin’ny lalany isika. Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’i Iaveh.»
Mankalazà an’i Iaveh Andriamanitsika, ary miankohofa eo anatrehan’ny lampihazo ipetrahan’ny tongony. - Fa Masina Izy.
Ary i Iaveh ho tonga mpanjaka amin’ny tany rehetra; ary amin’izany andro izany, dia ho tokana ihany i Iaveh, ary ny Anarany ho tokana ihany.
mba ho fantatra etỳ ambonin’ny tany ny lalanao, ary amin’ny firenena rehetra, ny famonjenao! Hidera Anao anie ny firenena, ry Andriamanitra, hidera Anao anie ny firenena rehetra! Aoka hirobiroby ny firenena sy hisomebin-kafaliana, fa mitsara ny vahoaka amim-pahitsiana Ianao sy mitondra ny firenena ambonin’ny tany.
Iaveh ô, Andriamanitro Ianao; hankalaza Anao aho, hidera ny Anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Ianao; mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh! Mihirà ho an’i Iaveh ianareo monina amin’ny tany rehetra. Lazao eo amin’ny firenena hoe: «I Iaveh no mpanjaka»; ka hitoetra sy tsy hihetsiketsika izao tontolo izao; hitsara ny vahoaka araka ny rariny Izy, Aoka hifaly ny lanitra, sy hiravoravo ny tany. Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; aoka ho miramirana ny saha mbamin’izay rehetra ao aminy aoka hihoby ny hazo rehetra any an’ala, eo anatrehan’i Iaveh fa avy Izy. Avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany. Mihirà ho an’i Iaveh, misaora ny Anarany. Lazao isan’andro ny famonjeny, ambarao amin’ny firenena ny voninahiny, ary amin’ny firenena rehetra ny fahagagany.
Hambaran’ny olona ny fahatsiarovana ny hatsaram-ponao lehibe indrindra, ary hankalazainy ny fahamarinanao.
Amin’izany andro izany hofaranako ny amin’ny momba an’ireo rehetra mpampahory anao: Hovonjeko ikala mandringa, hangoniko ikala voaroaka, ka hataoko be voninahitra sy malaza izy ireo, any amin’ny tany rehetra nanakoràna azy.
Izay rehetra sisa tavela amin’ny firenena niakatra namely an’i Jerosalema, hiakatra isan-taona avokoa, hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika, sy hankalaza ny fetin’ny Tabernakla.
mba ho fantatra etỳ ambonin’ny tany ny lalanao, ary amin’ny firenena rehetra, ny famonjenao! Hidera Anao anie ny firenena, ry Andriamanitra, hidera Anao anie ny firenena rehetra!
Izao no ho tonga any am-paran’ny andro any: ny Tendrombohitra misy ny tranon’i Iaveh, haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra, sy hasandratra eo ambonin’ny havoana. Ary hitanjozotra ho any aminy ny firenena. Aoka ho voan’ny fanaintainana sy hanezaka ianao, ry zanaka vavin’i Siôna, toy ny vehivavy raha miteraka! Fa efa hivoaka ny tanàna ianao ankehitriny, ka nonina any an-tsaha, ary ho tonga hatrany Babilôna; any no hanafahana anao; any no hanavotan’i Iaveh anao, ho afaka amin’ny tanan’ny fahavalonao. Ankehitriny kosa efa tafavory hamely anao, ny firenena maro; ka manao hoe: Aoka halàm-baraka izy, ary aoka hibanjina an’i Siôna ny masontsika! Tsy fantatr’izy ireo anefa ny hevitr’i Iaveh; ka tsy azony an-tsaina ny hevitra voakasany, dia ny nanambàrany azy ireo toy ny amboara eo am-pamoloana. Mitsangàna ka mihose, ry zanaka vavin’i Siôna, fa ny tandrokao hataoko vy, ary ny kitronao, hataoko varahina, ka hanorotoro firenena maro ianao, ka hanokana ny tombon-karena azony ho an’i Iaveh aho, sy ny hareny, ho an’ny Tompon’ny tany rehetra. Koa ankehitriny, ry zanaka vavin’ny antoko miaramila, vorio ny antoko - miaramilanao! Fa isika efa natao fahirano; asiana ny tsora-kazo amin’ny takolany ny mpitsara an’i Israely Vahoaka maro no ho tonga sy hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; fa hampianariny antsika ny lalany, dia hizotra amin’ny sakeli-dalany isika. Satria avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Iaveh.
ambarao amin’ny firenena ny voninahiny, ary amin’ny firenena rehetra ny fahagagany. Fa lehibe sy mendrika ny fiderana rehetra, mahatahotra mihoatra noho izay andriamanitra rehetra Izy,
Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’i Iaveh mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany, ary ho mpanompony, izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy, sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko, dia hoentiko ho ao an-tendrombohitra masina, sy hampifaliko ao an-tranoko fivavahana, hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorona aman-tsorony: fa ny tranoko hatao hoe: trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra
Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny Anaranao. Tompo ô? Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsarànao!»
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;
dia hoentiko ho ao an-tendrombohitra masina, sy hampifaliko ao an-tranoko fivavahana, hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorona aman-tsorony: fa ny tranoko hatao hoe: trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra
Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena; ary manolotra emboka manitra amam-panatitra madio amin’ny Anarako ny olona, amin’ny fitoerana rehetra satria lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena, hoy i Iavehn’ny tafika.
Fa Izaho mahalala ny asany aman-kevitr’izy ireo! Tonga ny fotoana hamoriana ny firenena rehetra mbamin’ny samy hafa fiteny rehetra. Ho avy izy ireo ka hahita ny voninahitro, ary hanao fahagagana eo amin’izy ireo Aho. Ary ny afa-nandositra taminy dia hanirahako ho any amin’ny firenena, any Tarsisa, Fola, Loda mpandefa zana-tsipìka, Tobala sy Javàna, ary any amin’ireo nosy lavitra, tsy mbola nandre ny lazako akory, na nahita ny voninahitro; dia hitory ny voninahitro any amin’ny firenena ireo.
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh; sy fiderana Azy, hatramin’ny faran’ny tany, ianareo miantsambo amin’ny ranomasina sy monina ao aminy, ianareo, nosy, mbamin’ireo mponina aminareo! Aoka hanandra-peo ny efitra mbamin’ny tanàna eo aminy; ny toby onenan’i Sedera! Aoka hientan-kafaliana, ny mponina any Selà; aoka hihobim-piravoravoana any an-tampon-tendrombohitra! Aoka hanome voninahitra an’i Iaveh, sy hitory fiderana Azy eny amin’ny nosy!
Ry Iaveh, heriko ama-mandako, sy fialofako amin’ny andron’ny fahoriana, ho tonga aminao ny firenena maro, avy amin’ny faran’ny tany, ka hanao hoe: Ny razanay tsy nahazo lova afa-tsy ny lainga, sy zava-poana tsy azo atao na inona na inona!
Hidera Anao, ry Iaveh, ny mpanjaka rehetra amin’ny tany, rehefa mandre ny teny tò naloaky ny vavanao.
Ny tany rehetra anie hiankohoka eo anatrehanao, hihira ho an’ny voninahitrao, hankalaza ny Anaranao!»
Amin’ny andro farany, hoy ny Tompo, dia handrotsahako amin’ny nofo rehetra ny Fanahiko, ka haminany ny zanaka lahinareo sy ny zanaka vavinareo, ary hahita tsindry mandry ny zatovonareo ary hanonofy ny antidahinareo; eny, amin’izany andro izany dia handrotsahako amin’ny mpanompoko ny Fanahiko, ka haminany izy ireo na lahy na vavy. Hampiseho fahagagana eny amin’ny habakabaka ambony Aho, sy famantarana ety amin’ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon-tsetroka. ary tampoka, injay nisy feo avy any an-danitra toy ny rivotra mifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany, Ny masoandro hanjary maizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, dia ilay sady lehibe no malaza; ary na iza na iza no hiantso ny Anaran’ny Tompo amin’izay, dia ho voavonjy.
Hoy Izy: «Mbola zavatra kely foana ny maha-Mpanompoko anao, hanangana ny firenen’i Jakôba indray, sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely; fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.»
Ho fampatahorana mafy ho azy i Iaveh, fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany; ary hiankohoka eo anatrehany samy any amin’izay misy azy avy, ny mponina amin’ny nosim-pirenena rehetra.
Mandroso ho amin’ny fahazavanao ny firenena, ary ho eo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka.
Salamo fiderana. Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh ianareo mponina amin’ny tany rehetra. Manompoa an’i Iaveh amin-kafaliana, mankanesa eo anatrehany amim-piravoravoana.
Hanao izay hahafantaran’i Ejipta azy i Iaveh, ka hahalala an’i Iaveh i Ejipta amin’izany andro izany, hanao sorona amam-panatitra izy ireo, hivoady amin’i Iaveh sy hanefa izany.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Mbola ho avy koa ny firenena ama-mponina avy amin’ny tanàna maro. Ny mponina avy amin’ny iray, hankany amin’ny iray hafa, ka hanao hoe: ‹Andao, andao re isika, hifona amin’i Iaveh sy hitady an’i Iavehn’ny tafika! - Izaho koa mba handeha!› Ka vahoaka maro amam-pirenena mahery no ho avy hitady an’i Iavehn’ny tafika ao Jerosalema, sy hifona amin’i Iaveh.» Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Amin’izany andro izany, hisy folo lahy avy amin’ny fitenim-pirenena rehetra, ka hihazona, eny hihazona ny sisin-damban’ny Jody anankiray, ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo koa izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra!»
Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»
mpanjakan’ny tany mbamin’ny vahoaka rehetra, mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin’ny tany, zatovo lahy sy virjiny tanora, lahy antitra sy zaza. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany.
Fa Izaho mahalala ny asany aman-kevitr’izy ireo! Tonga ny fotoana hamoriana ny firenena rehetra mbamin’ny samy hafa fiteny rehetra. Ho avy izy ireo ka hahita ny voninahitro,
Amin’izany andro izany i Jerosalema hantsoina hoe: «ny seza fiandrianan’i Iaveh!» Ary ny firenena rehetra hivory ao Jerosalema, amin’ny Anaran’i Iaveh, fa tsy hanaraka ny ditran’ny fony ratsy intsony izy.
Midera Anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh, ary misaotra Anao ny mpino Anao. Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy, ary mitory ny fahefanao; mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.
Avia, ry Siôna, vonjeo ny tenanao, ianao izay monina ao amin’ny zanaka vavin’i Babilôna!