Zefania 2:14 - DIEM PROTESTANTA Ao amin’ny toerana nisy an’i Ninive dia handrian’ny omby aman’ondry sy ireo karazam-biby samy hafa; honenan’ny vorondolo sy tararaka eny an-tampon’ireo andrin-tranony, feom-borona no ho re eo am-baravarankely, faharàvana no ho hita raha vao mby eo an-tokonana satria ho voaendaka ny rafitra hazo sedera. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hisy andiam-biby handry ao aminy, dia ny karazam-biby rehetra; hitoetra ao an-tampon’ny andriny na ny sama na ny sokina; feo mitoloko no ho re avy ao am-baravarankely. Fandravana no ho eo an-tokonana, fa hendahiny ny rafitra sedera. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ao amin’ny toerana nisy an’i Ninive dia handrian’ny omby aman’ondry sy ireo karazam-biby samy hafa; honenan’ny vorondolo sy tararaka eny an-tampon’ireo andrin-tranony, feom-borona no ho re eo am-baravarankely, faharàvana no ho hita raha vao mby eo an-tokonana satria ho voaendaka ny rafitra hazo sedera. Baiboly Katolika Eo afovoany no handrian’ny biby fiompy ny biby isan-karazany; ny sama sy ny sokina vy no haka fonenana any amin’ny loha andriny; hisy feo mihira ho re eny am-baravarankely; ary fandravana no ho eo an-tokonana, fa efa nendahana ny peta-kazo sedera. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian’ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin’ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera. Malagasy Bible Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian'ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin'ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera. La Bible en Malgache Hisy andiam-biby handry ao aminy, dia ny karazam-biby rehetra; hitoetra ao an-tampon’ny andriny na ny sama na ny sokina; feo mitoloko no ho re avy ao am-baravarankely. Fandravana no ho eo an-tokonana, fa hendahiny ny rafitra sedera. |
Fa hataoko tonga honahona fonenan-tsokina izy, hofafako amin’ny kifafa i Babilôna ka ho levona, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao.
Hoy ianao anakamponao hoe: «Manorina lapa miezinezina ho ahy aho miaraka amin’ny rihana malalaka». Dia loahanao hisy varavaran-kely izy sady petahanao valin-drihana sedera ary nasainao nolokoana mena ny rindriny.
Hitako ny Tompo, nitsangana teo ambonin’ny alitara sady niteny hoe: «Asio ny lohan’ireo andry amin’ity tempoly ity dia hihozongozona ny fiorenany. Hotorotoroiko avokoa ireo lohandohany amin’izay rehetra eto ary izay sisa tavela dia haringako amin’ny ady; tsy hisy ho afa-mandositra ary tsy hisy ho afa-mitsoaka.
Ny taninao eo amorontsiraka dia ho lasa fiandrasam-biby fiompy ka hiriariavan’ny mpiandry ondry ary hasiana valan’ondry aman’osy.»
Dia niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony, sy fieren’ny fanahy maloto rehetra, ary fieren’ny vorona amam-biby maloto rehetra hàlan’ny olona!