Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zefania 1:9 - DIEM PROTESTANTA

Amin’izany andro izany dia hofaiziko avokoa izay rehetra mandingana ny tokonan-tempoliny sy izay rehetra mameno ny tranon’ny tompony amin’ny harena azo an-kosoka sy an-keriny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Amin’izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, dia ireo mameno herisetra sy fitaka ny tranon’ny Tompony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Amin’izany andro izany dia hofaiziko avokoa izay rehetra mandingana ny tokonan-tempoliny sy izay rehetra mameno ny tranon’ny tompony amin’ny harena azo an-kosoka sy an-keriny.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hofaizako avokoa amin’izany andro izany, izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, ka nameno fahasahiana amam-pitaka ny tranon’ny tompony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary amin’izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon’ny tompony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary amin'izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon'ny tompony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Amin’izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, dia ireo mameno herisetra sy fitaka ny tranon’ny Tompony.

Jereo ny toko



Zefania 1:9
11 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa ireo governora talohako dia nanahirana ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekela volafotsy efapolo; eny, na ny mpanompony aza, dia nisetrasetra tamin’ny olona. Izaho kosa tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’Andriamanitra.


Raha mihaino lainga ny mpitondra, ho tonga ratsy avokoa ny olom-peheziny.


Tahaka ny tranom-borona feno vorona dia feno zavatra nangalarina ny tranony. Izany no nahatonga azy ho lehibe sy manan-karena,


Fa izao no teny hentitry ny TOMPO: «Tsy nahalala hanao asa marina ry zareo; zavatra vokatry ny herisetra sy ny fandrobana no angoniny ho ao an-dapany.»


Mpanao herisetra ny mpanan-karena amin’ity renivohitra ity; ary mandainga sy mamitaka ny hafa ireo mponina ao aminy.


Ary nanontaniako izy hoe: –Inona io? Dia hoy ny navaliny: –Vata famarana mirakitra ny fahadisoana eto amin’ny tany manontolo io.


Nony hitan’ny tompony fa tsy anantenana fahazoam-bola intsony ity mpanompovaviny, dia ry i Paoly sy i Silasy no nosamboriny ka notaritaritiny hankeo an-kianja hiatrika ny manampahefana.


Ary nony maraina, dia nitsangana ny lahy ka namoha ny varavarana ary nivoaka ny trano mba hanohy ny diany; kanjo indro ny vavy efa miampatra eo am-baravarana ary mamikitra eo amin’ny tokonana.


–Izany no tsy anitsahan’ny mpisoron’i Dagôna sy izay rehetra miditra ao amin’ny tempoliny, ao Asdôda, ny tokonam-baravaran’i Dagôna mandraka androany.