Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 5:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Tahaka ny tranom-borona feno vorona dia feno zavatra nangalarina ny tranony. Izany no nahatonga azy ho lehibe sy manan-karena,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Tahaka ny tranom-borona feno vorona dia feno zavatra nangalarina ny tranony. Izany no nahatonga azy ho lehibe sy manan-karena,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Toy ny tranom-borona feno vorona, no mahafeno fitaka ny tranony. Amin’izany izy, tonga lehibe sy manan-karena;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Toy ny tranom-borona feno vorona No mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanan-karena izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 5:27
14 Rohy Ifampitohizana  

Miadana ao an-tranony ny jiolahy mpandroba; tsy manana ahiahy ny mpihaika an’Andriamanitra, dia izay tsy mahalala andriamanitra afa-tsy ny heriny.


Hampandaloviny fitsarana ireo loholona sy lehiben’ny vahoakany: «Ianareo no nanimba ny voaloboka; ary izay nalainareo tamin’ny mahantra no namenoanareo ny tranonareo.


TOMPO ô, mpandala ny rariny Ianao ka tsy tokony mifandahatra aminao aho. Nefa ny amin’ireto toe-javatra ireto dia te hiady hevitra aminao aho. Nahoana no ahitam-pahombiazana ny lalana ombàn’ny olon-dratsy? Ary nahoana no miadam-pinaritra ireo rehetra mpivadika aminao?


Koa nahoana àry ity vahoaka ity, no niodina, ry Jerosalema, ka mikiribiby amin’izany fiodinany izany? Mifikitra amin’ny andriamani-tsiizy izy ka tsy mety miverina amiko.


Koa hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Hodioviko amin’ny afo izy ary hozahako toetra. Satria ahoana ny fomba hafa hataoko amin’ny faharatsian’ny vahoakako?


sady miteny hoe: «Efa nangoron-karena aho ka nahazo fananana be. Ary tsy misy hahitana heloka mandiso ahy amin’izay asa rehetra nisasarako.»


Mangovitra ny amin’ireo tombon-tsoany ny mponina ao Marôta, satria efa nidina ho ao am-bavahadin’i Jerosalema ny loza avy tamin’ny TOMPO.


Amin’izany andro izany dia hofaiziko avokoa izay rehetra mandingana ny tokonan-tempoliny sy izay rehetra mameno ny tranon’ny tompony amin’ny harena azo an-kosoka sy an-keriny.


Dia niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony, sy fieren’ny fanahy maloto rehetra, ary fieren’ny vorona amam-biby maloto rehetra hàlan’ny olona!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra