Na dia mahangona volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary fitafiana miavosa tahaka ny fotaka,
Zefania 1:11 - DIEM PROTESTANTA Midradradradrà ianareo, ry mponina an-tanàna ambany, fa ho faty avokoa ny mpivarotra, ho lany ringana avokoa ny mpandranto. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy! Fa ringana avokoa ny mpivaro-mandeha rehetra; eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Midradradradrà ianareo, ry mponina an-tanàna ambany, fa ho faty avokoa ny mpivarotra, ho lany ringana avokoa ny mpandranto. Baiboly Katolika Midradradradrà, ry mponina ao amin’ny Feta, fa ringana avokoa ny vahoaka kananeanina, levona avokoa izay rehetra mivesatra vola. Baiboly Protestanta Malagasy Midradradradrà, hianareo mponina ao Maktesy; Fa ringana avokoa ny mpandranto rehetra, Eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy. Malagasy Bible Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy; Fa ringana avokoa ny mpandranto rehetra, Eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy. La Bible en Malgache Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy! Fa ringana avokoa ny mpivaro-mandeha rehetra; eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy. |
Na dia mahangona volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary fitafiana miavosa tahaka ny fotaka,
dia aoka izy hanangona; fa ny marina no hiakanjo ny fitafiana ary ny olom-banona no handray ny volafotsy.
Midradradradrà, ianareo mpitondra, manaova antsoantsom-pitarainana; mihosinkosena amin’ny tany, ianareo mpiandraikitra andian’ondry, fa tonga ny andro hamonoana anareo ho faty! Hataoko montsamontsana ianareo, ka ho toy ny fanaka sarobidy nianjera.
Manaova akanjo fisaonana noho izany ka mitomania sy midradradradrà, fa ny TOMPO tsy mbola nampiala tamintsika ny fahatezerany mirehitra.
Dia hanontaniana anao ny antony itolokoanao ka hovalianao hoe: «Vaovao ratsy no reko ary ho tonga izany. Ho kivy fo sy hiraviravy tanana ny besinimaro ary ho ketra-panahy sy halemy lohalika. Indro tonga izany ary tanteraka, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY.»
Rehefa tonga ny fandringanana ka mihahaka ny vahoaka, dia hanangona anareo i Ejipta; saingy Memfisa no ho fasanareo. Ho lovan-tsongosongo ny fana-bolafotsinareo sarobidy ary ho tongan’ny tsilo ny fonenanareo.
Mitafia lamba fisaonana ary mitomania sy midradradradrà, ianareo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara. Avia ianareo hialina amin’alahelo, ry mpanao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitro: fa tsy misy entina intsony ao an-tranon’Andriamanitrareo na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka.
Mifohaza ka mitomania, ry mamolava; midradradradrà ianareo rehetra, ry mpisotro divay: fa tsy hisy ny voaloboka, ka ho diso divay ny vavanareo.
Lozanareo avy any Kaftôra, izay mipetraka amoron-dranomasina! Izao no tenin’ny TOMPO mitsara anareo: «Ry Kanàhana tanin’ny Filistinina, haringako tsy hisy mponina intsony eo aminao.
Eny, ny vilany rehetra izay any Jerosalema sy Joda dia ho voatokana ho an’ny Tompon’izao rehetra izao. Ary izay rehetra tonga hanolotra sorona no hampiasa ireny mba hahandroan-kena. Ary amin’izay fotoana izay dia tsy hisy mpivarotra intsony ao an-tranon’ny Tompon’izao rehetra izao.
ary hoy Izy tamin’ireo mpivarotra voromahailala: –Esory teo ireo, fa aza atao fivarotana ny tranon’ny Raiko.
Mihaino ahy izao ianareo mpanankarena! Mitomania sy mitolokoa noho ny loza midona aminareo.