Dia niroso niasa indray i Zerobabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadaka, mba hanorina ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema ary nanampy azy roa lahy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra.
Zakaria 4:4 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izay ilay anjely niresaka tamiko dia nanontaniako hoe: –Inona moa no dikan’ireo, Tompoko? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niteny tamin’ilay anjely niresaka tamiko aho hoe: Inona moa ireo, tompoko? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay ilay anjely niresaka tamiko dia nanontaniako hoe: –Inona moa no dikan’ireo, Tompoko? Baiboly Katolika Dia notohizako ny teniko, ka hoy aho tamin’ilay Anjely niresaka tamiko: «Inona no hevitr’ireo zavatra ireo, tompoko?» Baiboly Protestanta Malagasy Dia niteny tamin’ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko? Malagasy Bible Dia niteny tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko? La Bible en Malgache Dia niteny tamin’ilay anjely niresaka tamiko aho hoe: Inona moa ireo, tompoko? |
Dia niroso niasa indray i Zerobabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadaka, mba hanorina ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema ary nanampy azy roa lahy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra.
«Izaho Daniela dia nandre izany nefa tsy nahafantatra ny heviny, ka nanontany hoe: ‹Tompoko, hanao ahoana no hiafaran’ireo zavatra ireo?›
Dia nanontaniako izy hoe: «Tompoko, inona moa no dikan’ireo soavaly ireo?» Dia hoy ny navalin’ilay anjely niresaka tamiko: «Hohazavaiko anao ny amin’ireo.»
Ary nanontaniako izy hoe: –Inona io? Dia hoy ny navaliny: –Vata famarana mirakitra ny fahadisoana eto amin’ny tany manontolo io.
Dia nanontaniako ilay anjely niresaka tamiko hoe: –Inona moa no dikan’ireo kalesy ireo, tompoko?
Tamin’izay dia nandao ny vahoaka i Jesoa ary nody tany an-trano; dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: –Hazavao aminay ny hevitry ny fanoharana momba ny tsimparifary nafafy an-tanimbary.