Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna: –Avy taiza moa ianao? Dia namaly ny Tompo izy hoe: –Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody teny aho.
Zakaria 1:11 - DIEM PROTESTANTA Dia namaly ilay anjelin’ny TOMPO ireo mpitaingin-tsoavaly ka nanao hoe: «Efa notetezinay ny tany manontolo, ka hitanay fa milamina sy mandry feizay.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ireo mpitaingin-tsoavaly dia niteny tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO izay nijoro teny amin’ny rotra hoe: Efa nivezivezy teny amin’ny tany izahay, ary indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fehizay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia namaly ilay anjelin’ny TOMPO ireo mpitaingin-tsoavaly ka nanao hoe: «Efa notetezinay ny tany manontolo, ka hitanay fa milamina sy mandry feizay.» Baiboly Katolika Ka dia namaly ireo tamin’ny Anjelin’i Iaveh, izay teo amin’ny mirta ka nanao hoe: Efa nitety ny tany izahay, ka miadana sy mandry feizay avokoa ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary namaly Ilay Anjelin’i Jehovah nijanona teny amin’ny rotra ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin’ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay. Malagasy Bible Ary namaly Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teny amin'ny rotra ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin'ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay. La Bible en Malgache Ary ireo mpitaingin-tsoavaly dia niteny tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO* izay nijoro teny amin’ny rotra hoe: Efa nivezivezy teny amin’ny tany izahay, ary indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fehizay. |
Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna: –Avy taiza moa ianao? Dia namaly ny Tompo izy hoe: –Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody teny aho.
Kanefa nahoana, ry vohi-maro tendro, no ialonanao ilay vohitra voafidy, voafidin’Andriamanitra mba honenany? Eny, hitoetra ao mandrakizay ny TOMPO!
Dia hoy indray izy hoe: ‹Moa fantatrao ve ny antony nahatongavako atỳ aminao? Ny hanambara aminao izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fahamarinana. Fa ankehitriny hiverina hiady amin’ny anjely mpiaro an’i Persia aho; ary iny aho hanainga iny, dia indro avy ny anjely mpiaro an’i Gresy. Nefa tsy misy manampy ahy hanohitra azy anankiroa afa-tsy i Mikaela anjely mpiaro anareo.
Ary ilay lehilahy nijanona teo anivon’ny hazo mirta dia niteny hoe: «Nirahin’ny TOMPO ireo mba hitety ny tany.»
kanefa kosa mirehi-pahatezerana mafy amin’ireo firenen-kafa matoky tena loatra; satria fony Aho mbola tezitra kely tamin’i Israely, no nampitombo fahoriana azy kosa ireo.
Alina no nahitako fa indro nisy lehilahy mitaingin-tsoavaly mena ka nijanona teo anivon’ny hazo mirta teny an-dohasaha lalina; ary teo aoriany nisy soavaly mena sy sadamena ary fotsy sy mainty.
Ireo soavaly manja koa niroso amin’ny lalany; fa samy maimay izy rehetra ireo handeha hitety ny tany. Dia hoy ny TOMPO taminy: –Mandehana mitety ny tany ianareo. Ka dia lasa nitety ny tany ireto kalesy ireto.
Hirahin’ny Zanak’olona ny anjeliny; ary ny anjely no hanaisotra tsy ho eo amin’ny Fanjakan’ny Zanak’olona izay rehetra mpitaona ny hafa hanota sy izay mpanao ratsy,
Dia tahaka izany no hatao amin’ny fiafaran’izao tontolo izao; ho tonga ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny olo-marina,
–Rehefa ho avy amin’ny voninahitra maha mpanjaka Azy ny Zanak’olona sady hotronin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany mamirapiratra.
Amin’ny anaovan’ny olona hoe: «Miadana sy mandry feizay ny zavatra rehetra!», amin’iny no hamely azy tampoka ny fandringanana ka tsy ho azony andosirana mihitsy, mova tsy ny fanaintainan’ny vehivavy bevohòka mihetsi-jaza.
ary homeny fialan-tsasatra miaraka aminay ianareo ampahorîna. Ho tonga izany amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Tompo avy any an-danitra, otronin’ireo anjely mitory ny heriny;
Fanambaràna nataon’i Jesoa Kristy no aroso amin’ity boky ity. Izany fanambaràna izany dia nomen’Andriamanitra Azy mba hanehoan’i Jesoa Kristy amin’ireo mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. I Jesoa Kristy, tamin’ny alalan’ny anjely izay nirahiny, no nampahalala izany tamin’i Jôhany.