Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 3:2 - DIEM PROTESTANTA

Fantatrao fa havantsika i Bôhaza sady ianao efa niara-niasa tamin’ny vehivavy mpiasany. Indro izy hikororoka vary ôrza ao am-pamoloana anio alina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ankehitriny, tsy isan’ny havantsika va i Boaza, tompon’ireo zatovovavy izay niarahanao? Indro, mikororòka varimbazaha eo am-pamoloana izy anio alina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fantatrao fa havantsika i Bôhaza sady ianao efa niara-niasa tamin’ny vehivavy mpiasany. Indro izy hikororoka vary ôrza ao am-pamoloana anio alina.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary amin’izao moa tsy havantsika va i Booza, tompon’ny ankizy vavy niarahanao? Indro fa hikororòka ny orja eo am-pamoloana izy anio alina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ankehitriny, tsy isan’ny havantsika va Boaza, tompon’ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ankehitriny tsy isan'ny havantsika va Boaza, tompon'ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ankehitriny, tsy isan’ny havantsika va i Boaza, tompon’ireo zatovovavy izay niarahanao? Indro, mikororòka varimbazaha eo am-pamoloana izy anio alina.

Jereo ny toko



Rota 3:2
8 Rohy Ifampitohizana  

Tonga tao Gôrena-Atàda, any am-pitan’i Jôrdàna izy ireo. Tao no nankalazany tamin’ny fomba manetriketrika sy manohina tokoa ny famoizana an’i Jakôba, fa naharitra fito andro ny fisaonan’i Jôsefa an-drainy.


Ary Nahômỳ dia nanana havana, lehilahy manan-karena be avy amin’ny fianakavian’i Elimelèka vadiny; ny anarany atao hoe Bôhaza.


Dia hoy i Bôhaza tamin’i Rota: –Mba henoy ny torohevitro. Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa, ary koa aza miala eto; fa mijanòna miaraka amin’ny vehivavy mpiasako.


Indray andro dia hoy i Nahômỳ rafozambaviny tamin’i Rota: –Tsy maintsy mitady tokantrano misy fiadanana izay hahasoa anao aho anaka.


Koa mandroa ianao, mihosora zava-manitra, dia anaovy ny akanjonao tsara indrindra; avy eo dia midina any am-pamoloana, kanefa aza atao fantatr’i Bôhaza akory izany raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.