Ka ny TOMPO anie haneho fitiavana sy toetra mahatoky aminareo; ary izaho koa dia hamaly soa anareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
Rota 1:8 - DIEM PROTESTANTA dia hoy i Nahômỳ tamin’ireto vinantovaviny: –Mandehana mody any an-tranon-dray aman-dreninareo avy ianareo; hanasoa anareo anie ny TOMPO, araka izay efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Naomy tamin’ny vinantovaviny roa: Andeha, samia mody any amin’ny tranon-dreninareo avy ianareo! NY TOMPO anie hanisy soa anareo araka izay nataonareo tamin’ny maty sy tamiko koa! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia hoy i Nahômỳ tamin’ireto vinantovaviny: –Mandehana mody any an-tranon-dray aman-dreninareo avy ianareo; hanasoa anareo anie ny TOMPO, araka izay efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa. Baiboly Katolika Ary hoy i Nôemì tamin’ireto vinantony roa vavy: «Andeha samy mody any an-tranon-dreninareo avy ianareo. Enga anie ka hanao soa anareo i Iaveh toraky ny efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Naomy tamin’ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin’ny tranon-dreninareo avy hianareo; mba hohasoavin’i Jehovah anie hianareo araka izay efa nataonareo tamin’ny maty sy tamiko koa. Malagasy Bible Ary hoy Naomy tamin'ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin'ny tranon-dreninareo avy ianareo; mba hohasoavin'i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo tamin'ny maty sy tamiko koa. La Bible en Malgache Ary hoy i Naomy tamin’ny vinantovaviny roa: Andeha, samia mody any amin’ny tranon-dreninareo avy ianareo! NY TOMPO anie hanisy soa anareo araka izay nataonareo tamin’ny maty sy tamiko koa! |
Ka ny TOMPO anie haneho fitiavana sy toetra mahatoky aminareo; ary izaho koa dia hamaly soa anareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety amin’ny maha mpanaraka ny Tompo anareo.
Eny, fantatrareo fa i Jesoa Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny anjara lova natokana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra; satria ny tena Tompo Izay tompoinareo, dia i Kristy.
dia maty koa izy roa lahy, i Mahalôna sy i Kiliôna; koa ravehivavy irery no sisa nilaozan’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.
Ary niainga izy telo mianaka, dia nizotra ny lalana hiverina any amin’ny tanin’i Joda; ka teny an-dalana,
Homen’ny TOMPO vady anie ianareo, ka hahita fiadanana ao an-tranon’ny vadinareo avy! Dia norohan’i Nahômỳ ireto vinantovaviny; fa nanandram-peo nitomany izy roa vavy
Dia hoy i Nahômỳ tamin’ny vinantovaviny: –Ny TOMPO Izay tsy mitsahatra manao soa amintsika velona sy amin’ny maty anie hitahy azy! Hoy kosa izy hoe: –Io lehilahy io dia havana akaiky antsika, ka anisan’ireo mahavotra antsika.
Dia hoy i Bôhaza hoe: –Hotahin’ny TOMPO anie ianao, ry Rota! Ny firaiketam-po nasehonao tamin’ny fianakavian-drafozanao tamin’izao farany izao dia tsara lavitra noho ny tamin’ny voalohany; fa tsy nanaraka ireo tovolahy, na ny mahantra na ny manan-karena, ianao.