Nomery 8:2 - DIEM PROTESTANTA mba hanafatrafatra an’i Aharôna hoe: –Rehefa mandrehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy izay hanazavany ny manoloana ny fitoeran-jiro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mitenena amin’i Arona hoe: Rehefa mampirehitra ny jiro fito ianao dia ataovy mahazava ny eo anoloan’ny fitoeran-jiro ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara mba hanafatrafatra an’i Aharôna hoe: –Rehefa mandrehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy izay hanazavany ny manoloana ny fitoeran-jiro. Baiboly Katolika «Mitenena amin’i Aarôna, ka lazao aminy hoe: Rehefa mametraka ny lalampy eo amin’ny fanaovan-jiro ianao, dia ataovy manazava eo anoloan’ny fanaovan-jiro ny lalampy fito.» Baiboly Protestanta Malagasy Mitenena amin’i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito hianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan’ny fanaovan-jiro izy. Malagasy Bible Mitenena amin'i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro izy. La Bible en Malgache Mitenena amin’i Arona hoe: Rehefa mampirehitra ny jiro fito ianao dia ataovy mahazava ny eo anoloan’ny fitoeran-jiro ireo. |
Jiro fito no hamboarina ka hapetraka eo amin’io fitoeran-jiro io mba hanazava ny anoloany.
Namboarina ny jiro fito sy ny tandra ary ny fitoeran-davenon-jiro, ka samy natao volamena madio avokoa.
–ny fitoeran-jiro miaraka amin’ireo jirony sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny solika fandrehitra;
dia narehitra ny jiro teo anatrehan’ny TOMPO, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Izao kosa no havalinareo izany: «Ao amin’ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana.» Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan’ny taratry ny maraina.
Eo ambonin’io fitoeran-jiro volamena madio io no hametrahan’i Aharôna ireo jiro izay hirehitra tontolo alina eo anatrehako.
Dia nataon’i Aharôna izany ka napetrany ny jiro fito mba hahazava ny manoloana ny fitoeran-jiro, araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Ianareo no fahazavana ho an’izao tontolo izao; tsy azo afenina ny tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
Ilay Teny no tena fahazavana tonga amin’izao tontolo izao sady manazava ny olombelona rehetra.
Ary mafy orina kokoa ho antsika ny tenin’ireo mpaminanin’Andriamanitra; ka tsara raha ifantohanareo izany toy ny ifantohanareo amin’ny jiro mamiratra anaty toerana maizimaizina, mandra-pahazàvan’ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro ao am-ponareo.
Dia nitodika aho hizaha izay olona niteny tamiko. Ka rehefa tafatodika aho, dia nahita fitoeranjiro volamena fito,
Izao no hevi-miafina fonosin’ny kintana fito hitanao teo an-tanako havanana sy ny fitoeranjiro volamena fito: ny kintana fito dia ny anjelin’ny Fiangonana fito; ary ny fitoeranjiro fito dia ny Fiangonana fito.
Tselatra sy feo ary kotro-baratra no nivoaka avy tamin’ilay sezafiandrianana afovoany; ary nisy jiro fito mirehitra teo anoloany, dia ny Fanahy Masina ombàm-panomezana fito avy amin’Andriamanitra.