Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 24:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Eo ambonin’io fitoeran-jiro volamena madio io no hametrahan’i Aharôna ireo jiro izay hirehitra tontolo alina eo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Eo amin’ny fitoeran-jiro volamena tsy miharo no hametrahany ny jiro mba hirehitra mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Eo ambonin’io fitoeran-jiro volamena madio io no hametrahan’i Aharôna ireo jiro izay hirehitra tontolo alina eo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Halahany eo amin’ny fanaovan-jiro volamena madio ny lalampy eo anatrehan’i Iaveh lalandava.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Eo amin’ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Eo amin'ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Eo amin’ny fitoeran-jiro volamena tsy miharo no hametrahany ny jiro mba hirehitra mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 24:4
19 Rohy Ifampitohizana  

ny fitoeran-jiro folo napetraka teo anoloan’ny efitra masina indrindra, ka ny dimy teo ankavanana ary ny dimy teo ankavia, dia samy volamena madio avy; ny sary felam-boninkazo sy ny lelan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena avy;


ny lanjan’ny fitoeran-jiro sy fanaovan-jiro volamena araka ny karazany avy, ny lanjan’ny fitoeran-jiro sy fanaovan-jiro volafotsy araka ny karazany avy,


Nohidiany ny varavarana amin’ny lalantsara fidirana, navelany ho faty ny jiro, ary tsy nandoroany vovo-javamanitra sady tsy nanolorany sorona dorana manontolo ho an’Andriamanitr’i Israely intsony tao amin’ny tempoliny.


ny latabatra voatokana, ny fitoeran-jiro volamena madio sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny alitara fandoroana vovo-javamanitra,


–ny fitoeran-jiro miaraka amin’ireo jirony sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny solika fandrehitra;


Nentin’ny filohan’ny mpiambina koa ny fitaovana volamena sy volafotsy rehetra: ny lovia, ny fandoroana zava-manitra, ny tsatokaty famafazana, ny fandraofan-davenona, ny fitoeran-jiro ary ny kaopy sy ny tavoara.


Ao anatin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manakona ilay Vatamasina mirakitra ny Fanekempihavanana, no hametrahan’i Aharôna ny fitoeran-jiro; ka hirehitra lalandava eo anatrehako TOMPO ireo jiro ireo, manomboka ny hariva ka mandra-maraina: ho lalàna raikitra hatrany hatrany izany ho anareo.


Ny Kehatita no miandraikitra ny Vatamasina, ny latabatra masina, ny fitoeran-jiro sy ny alitara roa ary ny fanaky ny Toeramasina izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Kehatita.


Haka lamba volomparasy izy handrakofany ny fitoeran-jiro mbamin’ny jiro sy ny kojakojany rehetra: dia ny hetin-jiro sy ny fitoeran-davenona ary ny tavoaran-diloilo.


mba hanafatrafatra an’i Aharôna hoe: –Rehefa mandrehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy izay hanazavany ny manoloana ny fitoeran-jiro.


Fa nisy tranolay voavoatra, dia ny tranolay voalohany izay antsoina hoe Toeramasina: tao no nisy ny fitoeran-jiro sy ny latabatra fametrahana ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra.


Izao no hevi-miafina fonosin’ny kintana fito hitanao teo an-tanako havanana sy ny fitoeranjiro volamena fito: ny kintana fito dia ny anjelin’ny Fiangonana fito; ary ny fitoeranjiro fito dia ny Fiangonana fito.


Ireo vavolombelona roa ireo no fototr’ôliva anankiroa sy fitoeranjiro anankiroa, izay mijoro eo anatrehan’ilay Tompon’ny tany.


Koa tsarovy izay nitoeranao fony mbola tsy lavo, dia ialao ny toe-dratsinao, ka ataovy indray ny asanao tany am-boalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho, ka hanaisotra ny fitoeranjironao amin’izay misy azy, raha toa tsy ialanao ny toe-dratsinao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra