–Atokany ho ahy ny lahimatoa rehetra ao amin’ny Israelita, na olona na biby fiompy, fa Ahy ireny.
Nomery 8:16 - DIEM PROTESTANTA satria efa nomena Ahy avy tamin’ny Israelita mihitsy izy ireo mba ho solon’ny lahy voalohan-teraka rehetra, dia ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa efa nomena ho Ahy avy tamin’ny Zanak’Israely mihitsy izy ireo; mba ho solon’izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin’ny Zanak’Israely no nanalako azy ho Ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara satria efa nomena Ahy avy tamin’ny Israelita mihitsy izy ireo mba ho solon’ny lahy voalohan-teraka rehetra, dia ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita. Baiboly Katolika Fa efa nomena Ahy mihitsy izy eo afovoan’ny zanak’i Israely; nalaiko ho Ahy, ho solon’ny lahy rehetra voalohan-teraky ny reniny izy, Baiboly Protestanta Malagasy fa efa nomena ho Ahy avy tamin’ny Zanak’Isiraely mihitsy izy; ho solon’izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin’ny Zanak’Isiraely, no nanalako azy ho Ahy. Malagasy Bible fa efa nomena ho Ahy avy tamin'ny Zanak'Isiraely mihitsy izy; ho solon'izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, no nanalako azy ho Ahy. La Bible en Malgache Fa efa nomena ho Ahy avy tamin’ny Zanak’Israely mihitsy izy ireo; mba ho solon’izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin’ny Zanak’Israely no nanalako azy ho Ahy. |
–Atokany ho ahy ny lahimatoa rehetra ao amin’ny Israelita, na olona na biby fiompy, fa Ahy ireny.
–Indro Aho efa nifidy ny Levita tamin’ny Israelita rehetra ho solon’ny lahimatoa rehetra voalohan-teraka aminy; koa dia Ahy ny Levita,
satria Ahy ny voalohan-teraka rehetra. Tamin’ny andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny voalohan-teraka rehetra tamin’ny Israelita ho Ahy, na olona izay na biby fiompy: Ahy ireo. Izaho no TOMPO.
–Atokano ho Ahy ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita fa Izaho no TOMPO; dia tahaka izany koa, ny biby fiompin’ny Levita no ho solon’ny voalohan-teraky ny biby fiompin’ny Israelita.
–Asaivo manatona ny fokon’i Levỳ ka apetraho eo ambany fahefàn’i Aharôna mpisorona mba hanampy azy.
Koa homenao an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita; eny, homenao azy marina tokoa avy amin’ny Israelita ireo.